Actualités

Bizina volamena eny Analakely Mahavelona tsara, hoy ireo mpanao azy


  • Sabotsy 17 Martsa 2018

“izahay mividy volamena ô”, izay le feo tsy maintsy re rehefa mandalo eny Analakely, indrindra ny manamorona ny fianarana Jean Joseph Rabearivelo iny.

 

 Matetika ireo mpividy volamena ireo dia miantso ao anaty fiara mba handaminana tsara ny sera ary tsy hirohoroho saina amin’ny  sinto-mahery ny mpivarotra. Mbola tena mandeha io sehatra tsy ara-dalàna io ary  dia tena mahavelona hoy ireo mpividy sy mpivarotra maromaro nanontaniana. Ireo olona poritra vola noho ny fahasahiranana tampoka no tena mivarotra ny entany eny fa tsy ferana ihany koa ireo mpaka, hoy izy ireo. Marihina fa ny ankabeazan’ireo mpividy ireo dia tsy mitaky kara-panondro izany akory rehefa tena mandeha ny varotra fa entina hampisehoana amin’ny olona fotsiny hoe matotra ny fividianana atao ilay hoe “mitondrà karatra”. Maro kosa ireo olona mpivarotra no mitaraina ny amin’ny fametsena atao azy ireo amin’ny lanja kanefa noho ny amin’ny fahamaizana dia tsy maintsy amidy ny entana hoy kosa ny olona iray milaza ho efa mpivarotra matetika. Toa mifanaran-tsaina daholo mantsy hoy ihany izy ireo mpividy ireo ka mitovy daholo ilay fandanjana manambaka. Efa ela no nisian’ity bizna ity ary maro ny olona no mbola mitampikitra amin’ity sehatra tsy ara-dalàna ity izay toa jeren’ny fanjakana fotsiny koa. Resaka mandeha ny hoe misy olona ambony miaro hatrany ireto mpanao aferana volamena eny an-dalambe ireto.

Tahaka izao manaraka izao no vidin’ny volamena eny Analakely, araka ny fanadihadiana natao :

Vidina volamena (ariary)

carat

125 000

24

86 000

18

75 000

16

56 000

14

 

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT