Mangidy ny fitadiavana rano eny amin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka sy ny manodidina.
Tafakatra 1.000 Ar ny iray bidon amin’izao fotoana izao eny an-toerana raha 30 Ar teo aloha. Noho ny tsy fisian’ny rano no mahatonga izany izay hilaharana mandrapaharainan’ny andro eny amin’ny paompin-drano fisotro madio, araka ny fitarainan’ny mponina. Ora efatra isan’andro ihany raha betsaka no mandeha ny rano fa ny ankoatra izay dia tapaka foana. Vokany, tsy vitsy ireo mitady hirika hanararaotana izany ka mivarotra rano amin’ny bidon taterina amin’ny fiara izay fantatra fa mitety tanàna mihitsy. Hahazoan’ireo mpanao bizina tombony 970 Ar ny rano iray bidon izay marihina fa tena mandeha tokoa. Ankoatra ity kaominina Ambohibao Antehiroka ity dia fantatra fa tonga hatrany amin’ny kaominina Talatamaty izao tsy fisian’ny rano fisotro madio mihatra amin’ny mponina izao. Eo an-danin’izay anefa dia efa tena ampy tanteraka ny rano tonga ao Mandroseza avy any Tsiazompaniry amin’izao fotoana izao ka tokony hilamina izay resaka famatsian-drano eto an-drenivohitra sy ny manodidina izay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.