Actualités

Bizina mandeha Famoahana kaonteneran’olona ao amin’ny Port Toamasina


  • Alarobia 11 Aogositra 2010

Raha tonitony ny trafikana “bois de rose” noho ny fanakianana iraisam-pirenena sy ny namoahan’ny UNESCO fepetra mandrara ny firenena mpikambana ao aminy tsy handraisana ny hazo sarobidy avy aty Madagasikara, dia mirongatra indray izao ny famoahana kaonteneran’olona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ao.

Ireo kaontenera misy entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro no lasibatra. Tambajotra matanjaka mihitsy no mifandray sy mifaningotra ao anatiny.

“ordonnance”
Ambara fa tsy manan-tompo ka mihitsoka ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo kaontenera ireo. Maka ny “ordonnance” eo anivon’ny fitsarana sivily misahana ny ara-barotra eto Antananarivo na eo anivon’ny fitsarana ao Toamasina ireo mpibizina hamoahan’izy ireo entana. Bizina mandeha ity aferana kaontenera ity, ka tsy misalasala mamoaka izany ny olon’ny fitsarana izay tafiditra rahateo ao anatin’ny tambajotra. Ny herinandro lasa iny izao, dia tranga roa no hita teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Teo ireo kaontenera miisa 145 lazaina fa nihitsoka tsy nalain’ny tompony efa ho herintaona. Mpibizina avy eny Ankadikely Ilafy eny no nahazo azy tamin’ny alalan’ny “ordonnance” laharana-500 ny 09 jona 2010 teo anivon’ny fitsarana sivily misahana ny ara-barotra tao Toamasina. Ny faharoa dia kaontenera 32 izay mitovy tranga amin’io teo aloha io ihany, saingy “ordonnance” roa dia ny laharana-24 sy ny laharana-28 no nampiasainy, dia ny navoakan’ny fitsarana tao Antananarivo nohamafisin’ny fitsarana tao Toamasina. Tranombarotra iray eto Antananarivo no nahazo azy, saingy ny azy ireo tsy hita ireo kaontenera 32 saika halaina. Ilay tranombarotra misoratra amin’ny taratasy nanafarana ny entana ao Anosibe Antananarivo koa anefa efa tsy misy intsony.
 
“Sopapa...”
Tsy tongatonga ho azy ity fakana kaonteneran’olona mirongatra be ao Toamasina ity, fa misy ny mpanome ny “sopapa”. Tsy iza no afaka manao izany fa mpiasan’ny Antenimieran’ny Varotra. Izy ireo no manana ny antontan-taratasy rehetra mikasika ireo kaontenera lany fetr’andro, 15 andro, eken’ny lalàna tokony hijanonany eo anivon’ny MICTSL. Anisan’ny fiarovan-tenan’ny Antenimeran’ny Varotra Toamasina mandritra ny fitsarana hakana ny “ordonnance” ny filazana fa entana mihitsoka tokony hampidi-bola ho azy ireo amin’ny saran’ny fanobiana entana, ny TVA, ny habantseranana ary ireo hetra alaina amin’ny entana hafarana. Eo koa ny hoe entana mora simba ireo noho izy sakafo sy entana ilaina andavanandro avokoa. Raha ny “code des douanes” sy ny lalàna mikasika ny entana nohafarana tsy misy maka ao anatin’ny fetr’andro nomen’ny fanjakana anefa dia tokony hiditra lavanty avy hatrany ireo entana ireo. Efa ho herintaona anefa izao dia tsy nisy ity lavanty ity nefa lazaina fa entana mora simba ireo ao anaty kaontenera 145 sy 32 ireo. Iza no tsy nandray ny andraikiny, ny Antenimieran’ny Varotra Toamasina, sa ny ministeran’ny vola sy ny tetibola sa ny ministeran’ny varotra izay mpiahy ? Sa efa adin’ny be sandry izy ity ?
 
Ny ladoany mantsy ao anatin’izany rehetra izany tsy manaiky ny hanaovana tsirambina ny fananan’olona ireo. Anisan’ny feo re amin’ireo tompon’entana koa ny hoe : “tsy ny vola hamoahana ireo kaontenera ireo no tsy misy, fa ny fiarovana azy noho ny krizy misy sy ny firongatry ny mpangalatra ary ny ankandorodoro magazay nitranga ny taona lasa ireny no nandraisan’izy fepetra tsy namoahana azy ireo, na fantatra aza fa ho henjana ny haban’ny magazay sy ny hetra aloha amin’ny fanjakana avy eo”. Olom-panjakana maro no tafiditra amin’ity raharaha ity. Araka ny fantatra dia niditra an-tsehatra niezaka nanohitra ny zava-misy ny lehiben’ny faritra Atsinanana, saingy nanaovan’ireo mpibizina avo lenta be fiavy dia niala maina.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT