Actualités

Biraon’ny holafitry ny mpanao gazety Tsy mifanara-tsaina intsony…


  • Zoma 10 Novambra 2017

Hentitra ny fanambarana nataon’ny filoha lefitry ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) miisa dimy, ny alarobia lasa teo, izay nanazava fa tsy mankasitraka ny vaomiera handinika ny fanomezana karatra maha matihanina ho an’ny mpanao gazety,

 naorin’ny minisiteran’ny serasera tantanan’i Harry Laurent Rahajason. Tsy mifanaraka amin’ny lalàna izany ary fanambaniana tanteraka ny holafitra izay tsy voasolotena akory ao anatin’io vaomiera io, hoy izy ireo. Ny mpikambana ao amin’ny holafitry ny mpanao gazety irery anefa no rafitra ara-dalàna mahafantatra tsara ireo mpanao gazety tena izy na tsia, araka ny voalaza tao anatin’iny fanambarana iny. Rehefa nanontaniana kosa ny filohan’ny OJM Gérard Rakotonirina, dia nilaza ho tsy nahafantatra sy tsy nampahafatarina akory iny fanambarana iny, fa efa nandeha tamin’ny haino aman-jery vao gaga sy talanjona. Mikasika ny fanapahan-kevitry ny minisitera dia nambarany fa ara-dalàna, ary voafaritry ny andalana 203 ao anatin’ny kaody, raha ny fanazavany. Tsy amin’ny anaran’ny OJM iny, fa amin’ny anaran’ny olona miisa 5 amin’ny 14 mandrafitra ny holafitra raha ny fanazavany. Tsy nifampierana, ka amin’ny anaran’izy ireo manokana, satria mbola misy 9 ireo mpikambana, izay ahitana ny filoha, sekretera jeneraly, mpanolotsaina,…tsy niombon-kevitra tamin’ny fanambaran’ireo filoha lefitra 5, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Holafitra hatrany. Nomarihiny fa ny fanambarana ataon’ny filohan’ny OJM no ofisialy, ka tsy tokony hiroaroa saina ny mpanao gazety ara-dalàna. Tsikaritra ho tsy mifanara-tsaina ny samy mpikambana ao anatin’ny OJM matoa miseho ny tahaka izao, ka ao ny miandany amin’ny minisitera momba ity raharaha fanomezana karatra maha matihanina ity, ary ao ihany koa ny mijoro hanohitra. Miandry ny tohiny ny rehetra.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT