Actualités

Biraon’ny Polisy Nampiantranoana sekoly tsy an-kiera


  • Talata 21 Septambra 2010

Ao Antsiranana no itrangan’ity raharaha ity, ary lasa resabe ao an-tanàna hatramin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Tranona Karana no nofain’ny fanjakana natao biraon’ny “Police judiciaire” tao Antsiranana an-taonany maro.

Nanamboarana trano vaovao ao an-tampon-tanàna anefa izy ireo. Nandaniana vola mitentina 450 tapitrisa Ariary ilay foto-drafitrasa. Trano lehibe izy ity, efa vita ary notokanana ny sabotsy 24 jolay 2010. Nitokana izany tany an-toerana, tsiahivina ihany, ny praiminisitra sady lehiben’ny governemanta, Camille Albert Vital. Ny trano niasany teo aloha anefa araka ny fantatra dia nisy fifanarahana nifamatorana tamin’ny tompon-trano hatramin’ny volana desambra 2010. Teo no nitranga ity zavatra hafahafa ity. Hafahafa satria sekoly tsy miankina no nametaka takelaka famantarana teo amin’io trano io ary efa nandamindamina tao roa herinandro lasa izay. Taitra tamin’izay ilay Karana tompontrano, ka nanao be midina namafa tamin’ny loko io takelaka famantarana io. Eo no mipetraka ny fanontaniana.

Ho an’ny mpitazana dia, matoa niroso namafa io takela-pamantarana ilay toeram-pianarana io ilay Karana dia mazava tsy fantany ny fisian’io sekoly io ao. Nifampiraharaha manokana tany ve izany ny Polisy sy ny talen-tsekoly, tsy mandalo ny tompon-trano ? Iza no mandray ny hofantrano, satria tsy maintsy misy resaka fifampanofana tao ? Raha nanofa io trano io anefa ny Polisy hatrizay dia mazava fa volam-panjakana no nandoavana ny hofantrano. Raha mitohy hatramin’ny volana desambra 2010 ny fifanarahana fampanofana nifanaovana tamin’ny tompon-trano teo aloha, sady handoa vola izany ny fanjakana no takiana koa ilay mpanofa vaovao ? Hafakely. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT