Actualités

Birao iraisam-pirenena momba ny asa Miady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona


  • Alatsinainy 04 Desambra 2017

Miezaka manao ny asany ny birao iraisam-pirenena momba ny asa na ny BIT amin’izao fotoana manoloana ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona.

 

 Zavatra maro loha no vitan’izy ireo tamin’ity taona 2017 ity, Atoa Ntsay Christian toy ny famoronana asa ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny fametrahana lamin’asa. Faritra maro no voakasika izay efa tonga hatrany amin’ny lalam-pihariana lavanila mihitsy hiarovana ny zon’ireo zaza tsy ampy taona, ny asa an-trano izay tena maro mpanao tokoa manerana ny faritra. Ankoatra izay dia tanora mahatratra 200 monina any Avaratra no nesorina tao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna na ireo antsoina hoe : forosy izay sady mamono no manakorontana ny fiarahamonina misy azy. Ny BIT no nanome fiofanana azy ireny ary efa saika manana asa fivelomana ara-dalàna avokoa ireo ampy taona ankehitriny. Tanjona ny hanalana azy ireny ao anatin’ny ditra, ka hiainany araka ny tokony ho izy eny anivon’ny fiarahamonina indray. Nisy tamin’ireo ankizy forosy miisa 200 any Avaratra ireo ihany moa no mbola manohy ny fianarany ankehitriny, raha misy kosa ireo efa tafaverina soa aman-tsara eo anivon’ny fianakaviany raha niala nandeha mihitsy teo aloha noho ny ditraditra keliny. Tsiahivina moa fa anisan’ny mpiara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena ny BIT amin’ny fanofanana ireo tanora eny anivon’ny “Maison des jeunes” manerana ny Nosy.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT