Actualités

Bianco Te hiseho amin’ny vahiny fa miasa


  • Alakamisy 25 Novambra 2010

Mavesatra ny andraikitra iantsorohan’ny Bianco hanatsarana endrika an’i Madagasikara any ivelany taorian’ny tatitra maro samihafa momba ny kolikoly navoak’ireo sampandraharaha tsy miankina maro.

Raha tsiahivina tokoa dia nihemotra isika raha ny ady amin’ny kolikoly no resahana, araka ny tatitry ny Transparency International ka any amin’ny laharana faha-123 no misy an’i Magadasikara amin’izao fotoana raha nanodidina ny laharana faha-100 isika tamin’ny taon-dasa. Eo koa ny tatitry ny vaomiera momba ny tolobaro-panjakana izay naneho fa tsy manara-dalàna ny ankaramaroan’ny tolobidy ataon’ny ministera sy sampandraharaha sasany. Vita omaly ary ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Bianco sy ny ministeran’ny raharahambahiny momba ny fanapariahana any amin’ireo masoivohontsika any ivelany ny tahirin-kevitra momba ny ady amin’ny kolikoly. «Mila ampahafantarina amin’ireo vahiny mitsidika ireny masoivohontsika ireny fa misy ny ezaka atao amin’ny famongorana ity fanetriben’ny firenena ity. Ankoatra izay dia hitan’ireo izay mitsidika ny tranokala koa ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly sy ny tatitra rehetra satria alefa ao anatin’ny tranokalampifandraisana izay ifaneraseran’ny ministeran’ny raharahambahiny sy ny Bianco izy ireny», hoy ny jeneraly Rabetrano Faly, tale jeneralin’ny Bianco

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT