Tsy arakaraka ny filazana azy hoe miasa amina firenena marobe, 5 raha kely aty Afrika ny banky BGFI. Firenena roa ihany aloha no mbola tena iasany dia i Gabon sy Congo Brazaville, araka ny vaovao navoakana mpanao fandinihana eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena.
Araka ny fanazavana àry dia anisan’ireo banky ao anatin’ny lisitra maintin’ireo rafitra mikirakira ny ara-bola eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny BGFI izay malaza amin’ny sehatra famotsiana ireo vola azo avy amin’ny solika. Araka ny fantatra moa dia taorian’ny nahazoan’i Andry Rajoelina ny fahefana no nahazoan’ity banky ity miasa eto amintsika. Any amin’ny faramparan’ny taona any no hisokatra eto amintsika ny rantsamangaikan’ny BGFI eto Madagasikara. Fa momba izay fandraharahana ara-bola izay ihany dia tsikaritra tato ato fa mahazo toerana ny Ariary manoloana ireo vola vahiny toy ny euro sy ny dolara. Tato anatin’ny herinandro vitsivitsy, araka ny fanadihadiana nataon’ny Tribune.com dia tafakatra dimy tapitrisa euros sy 10 tapitrisa dolara isan’andro ny fanakalozam-bola vahiny. Araka ny fanazavana, ireo kaompania mpaninjara solika no nibahana ny tsenan’ny devizy tamin’iny herinandro iny izay nanampy ny Ariary hahazo toerana.
Am-polony tapitrisa dolara tokoa manko ny vidin-tsolika tonga indray mandeha natao haharitra andro maromaro koa. Toa mifanojo indrindra amin’ny firotsahan’ny Banky foibe an-tsehatra mba hisian’ny fifandanjana eo amin’ny tolotra sy ny tinady. Tsy kisendrasendra izao, hoy ny mpahay toekarena. Manomboka miakatra manko ny vidim-piainana eo anelanelan’ny volana septambra sy oktobra, araka ny fanazavana. Manomboka eo dia misondrotra avo 2 na 3 heny ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Raha tsara toerana ny Ariary dia mampitony ny fidangan’ny vidim-piainana eo amin’ny tsena malagasy. Manasazy ireo orinasa mpanondrana entana kosa anefa. Araka ny fanadihadiana dia mbola afa-miatrika tsara ny fifaninanana ireo orinasa afaka haba malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.