Haingana dia haingana ny nanaparitahan'ny manampahefana ilay sarin'i Tokanono nambara fa mpimasin-dRemenabila sy ireo miaramila manabontsina tratra sy sandry taoriany.
Eto amintsika moa hatramin'izay nisian'ny tetezamita izay dia tahaka ny adino ny fampiharana ny lalàna araka ny tokony ho izy sy ny resaka zon'olombelona. Naseho imasom-bahoaka sy tamin’ny fahitalavitra tsy mitapi-maso avy hatrany ny sarin'ilay vehivavy ary nambara fa Tokanono no anarany. Tahaka izany koa no nanaovan'ny FAT ireo mpanao politika avy amin'ny ankolafy Ravalomanana izay nambara fa atidoha mpanakarama ireo mpametraka baomba na nanakarama olona hanakorontana tsotra izao. Tsy misy resaka na nandalo fitsarana fa tonga dia naparitaka sy navoaka an-gazety avy hatrany ny sary sy ny anaran'ireo olona ireo.
Efa niharan'izany koa i Mamy Rakotoarivelo, tamin’ilay raharaha Marais Masay. Asa hoe inona no tena mahamaika sy dodona ny FAT hanao izany ! Sa amin'izay ve resy lahatra tsara ny olona fa miasa mafy izy ireo ? Aorian'ny fivoahan'ny didim-pitsarana vao azo ambara fa meloka ny olona iray, fa raha hoe fisamborana fotsiny, eny fa dia tratra ambodiomby aza ny olona iray nanao asa ratsy dia tsy tokony hihazakazahana tahaka ireny ny fanaparitahana ny sariny. Raha tsorina ny resaka dia voaviravira tanteraka ilay vehivavy atao hoe Tokanono, ary natao fitaovana mba hanaporofoana fa tena miasa tokoa ireo "forces spéciales" any Betroka.
Efa mandeha be aza ny resaka fa mety ho sinema indray, hono, io natao io fa ahoana moa no azo sambo-belona tsy nisy fifandonana mihitsy ny mpimasin-dRemenabila, izay miaraka foana amin'ity farany amin'izay toerana alehany. Ary nahoana koa no tsy voasambotra niaraka taminy Remenabila ? Tena mampieritreritra ny tenin'ny Sekretera jeneralin'ny fikambanana “Justice et Paix”,ny Mompera Raharison Alain Thierry, manao hoe : ny fisamborana ireo dahalo madinika dia fanafenana na fanakonana ny halatra lehibe kokoa atao any ambadibadika any. Efa fomba fanao amin'ny serasera moa io manaitra ny sain'ny mpanara-baovao io, mba hanodinana ny sain'izy ireo tsy hifantoka amin'ny tena fototry ny olana. Ary raha ny tetezamitan-dRajoelina manokana dia manan-talenta amin'io fanairana ny maso sy ny sofina io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.