Manomboka mahazo vahana eo amin'ny olon-tsotra ankehitriny ny fiheverana fa tsy hahavita n'inoninona tahaka ireo nalefa tany Esira indray, ireo miaramila natoby any Betroka.
10 andro aty aorian'ny nahatongavan'izy ireo tany an-toerana mantsy dia tsy mbola hita ihany izay tena fanafihana goavana natao, ny dahalo anefa mahavita manafika tanàna sy mangalatra omby isan'andro ihany. Efa 200 lahy ireo miaramila sy zandary ary polisy any an-toerana. Nambara fa hery manokana (forces speciales) izy ireo. Ny dikan'izany dia haingam-piasa kokoa noho ny miaramila tsotra izy ireo ary efa manana traikefa kokoa amin'ny fifandonana amin'ny jiolahy mitam-basy. Mialoha ny nahatongavan'izy ireo ihany koa dia efa nisy ny andiana miaramila nialoha lalana, ka tokony ho efa nahavita nanangona ny vaovao rehetra ny amin'ny hetsika tokony hatao, fa tsy izao vao hikaroka izany paikady rehetra izany indray. Raha ny marina dia mahavita asa mivaingana ao anatin'ny 72 ora nahatongavany ao amina toerana iray izany komando izany, satria tahaka ny tselatra ny fomba fiasany, ary tsy misy maha komando azy raha toa ka hiady mandritra ny iray volana izy. Tsy mila fanazavana teknika be izy io fa zavatra efa mba mety fantatry ny rehetra ihany.
Eto amintsika irery izany maneran-tany no misy an'izany hoe komando na «forces spéciales» tsy mahavita asa, ao anatin'ny 10 andro ! Ka izay no mahatonga ny ankamaroan'ny olona hieritreritra fa mety hody maina indray ry kolonely Lylison sy ny ekipany afaka andro maromaro rehefa, tsy nahasambotra an-dRemenabila no sady tsy nahita ny toerana nanitrihan'ny dahalo ireo omby an-jatony nangalarina, nefa hoe mampiasa helikoptera sy fiara tsy mataho-dalana. Mandeha koa ny resaka fa mety noho ny resa-bola no mahatonga ireo miaramila tsy dia mazoto miasa mafy firy, any Betroka any.
Toa nahena mantsy ny tambin-karaman'izy ireo. Betsaka aza moa ny vola noraisina tany Esira tsy voasambotra Remenabila fa toa nihanona tamin’ny fakana ny fatin’ireo zandary sy miaramila ary sivily matin’ny dahalo, koa vao mainka ve fa nahena indray io vola io ! Ny miaramila rahateo efa zatra nandray vola be hatramin'ny nisian'ity tetezamita ity. Ny andrasan'ny olona dia ny hoe : fantatra ny faritra na tanàna iray itobian'ny andiana dahalo an-jatony, dia manafika an'io ny komando tarihan'ny kolonely Lylison dia resy ny dahalo ary maro ny omby tafaverina amin'ny tompony. Vao mainka tsara raha voasambotra ity dahalo nalaza tampoka ity. Fa raha izao zava-misy izao aloha dia mbola ny dahalo no mahery. Ary ny mahagaga ao anatin'izany rehetra izany dia mbola afaka mandefa miaramila 50 lahy hiofana any La Reunion ihany ny tafika malagasy. Ao anatin'ny tsy fisian'ny fandriampahalemana ve dia laharampahamehana ny fandefasana miaramila any ivelany ? Nahoana raha alefa manatevin-daharana ny any atsimo aloha izy ireny, na manaraka taksibrosy miady amin'ireo jiolahy manakan-dalana eny amin'ny lalam-pirenena ? Raha miaramila 50 lahy izany no tsinjaraina amin'ireo koperativa amin'ny zotra nasionaly efa mahavita zavatra betsaka.
Be loatra ny fanapahan-kevitra tsy manaraka lojika eto ary izay angamba no tsy mety mampilamina ny tetezamita sy mampitombo ny tsy filaminana, hany ka eto Antananarivo aza, dia efa sahy manafika banky amin'ny andro antoandro be izao ny jiolahy dia tafatsoaka tsy misy mpanakana, tsy misy mpanenjika. Sa kosa ve mitombina ilay ahiahy fa efa misy tetika maizina hanakorontanana ity firenena ity mihitsy eto, ka ezahana izay hampalemy isan'andro ny foloalindahy sy tsy hatokisan'ny vahoaka azy ireo ? Dia anjaran'ireo miaramila sy zandary no mieritreritra raha manaiky an'izany izy ireo, hipetra-potsiny manoloana ny fanapotehana tsimoramora ity Madagasikara ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.