Actualités

Betafo Tovolahy 18 taona namono tena irery


  • Alarobia 15 Aprily 2015

Tovolahy 18 taona nanao kilasimandry tamina sekoly tsy miankina iray tao Betafo no fantatra fa namono tena ny marainan’ny alahady 12 aprily lasa teo. Raha ny angom-baovao tany an-toerana dia nisaraka ny ray sy ny renin’ity zazalahy ity ary nipetraka tamin’ilay raikeliny izy.

Noroahin’ity farany tsy hipetraka tao amin’izy mivady intsony anefa izy ka napetraky ny reniny tany amin’ny kilasimandry tao Betafo ihany. Nandritra ny fialantsasatry ny paska dia naka rivotra tany amin’ny fianakaviany tany Ampitatafika ilay tovolahy ka ny zoma 10 aprily izy no tonga tao amin’ny trano itoerany raha tokony ny alahady tolakandro ny fidiran’ireo kilasimandry. Tsy fantatra intsony moa izay antony satria izy rahateo tsy mahazo mitsidika ny reniny izay eo Betafo ihany ka ny maraina tamin’ny 6 ora maraina dia izy efa nihantona tamin’ny tady teo amin’ny lavarangana nitoerany no nanaitra ny olona. Rehefa nojerena dia efa tsy nisy aina intsony. Efa nomanina ity famonoan-tena ity raha ny fahafantarana azy satria nisy ny soratra napetrany ho an’ny reniny toy ny hoe: Aloavy ny vidim-panafody ao am-pianarany sy ny hoe: any Ampitatafika aho halevina ... Vao nantsoina moa ny reniny dia nentina avy hatrany tany Ampitatafika ny razana. Asa mety izany ve no antony namonoany tena ?

Caïus Raharison

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT