Actualités

Beroroha Mananontanona ny kere


  • Zoma 03 Aprily 2015

Rakotry ny andiam-balala ny tanimbary ana hekitarany maro sy voly katsaka any amin’ny Distrikan’i Beroroha, Faritra Atsimo Andrefana tapany atsinanana.

 

 

 Potika tsy nisy azo noraisina intsony ny voly vary tokony hojinjaina amin’ity volana ity. Atahorana noho izany ny hisian’ny tsy fahampian-tsakafo (kere) any amin’ity Distrika saro-dalana sy mbola faritra mena amin’ny asan-dahalo ity, raha tsy misy ny fandraisana andraikitra haingana sy matotra ataon’ny fanjakana, amin’izao voina izao, indrindra ny minisiteran’ny Fambolena, hamonoana ireo valala, hoy ny vaovao voaray avy any an-toerana. Araka ny tati-baovao dia mahatratra 3 km ny halavan’ity andiam-balala ity, raha 1 km kosa ny sakany, ary mbola mandrakotra velaran-tany hatrany amin’ny 15 ha ireo valala ireo amin’izao fotoana izao.

 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT