Actualités

Beriziky Jean Omer Hanohy ny fanadihadiana momba ny “bois de rose”


  • Zoma 17 Aogositra 2012

Nilaza ny heviny momba ireo raharaha mafampana eto amin’ny firenena, omaly, ny praiminisitra Beriziky Jean Omer, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Carlton, nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny fifindra-monina ny tenany.

 Nambarany fa tsy mbola mihatra ny tsy fankatoavana ny sonian’ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana eny amin’ny fiadidiana ny praiminisitra, izany hoe ho an’ny eny Mahazoarivo dia mbola manankery ny sonian’ireo minisitra ireo. Nanamafy kosa anefa ny praiminisitra fa aorian’ny fivorian’ny SADC any Maputo dia hisy ny fepetra horaisina amin’izay raha toa ka tsy mbola manatrika fivoriana ihany ireo minisitra 5 avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ireo. Miezaka hatrany mikaroka ny tombontsoan’ny besinimaro ny tenako, hoy izy ary vonona mandrakariva amin’ny fifampiresahana. Nanipika mazava anefa i Beriziky fa tsy afaka hiandry foana ny asa sy ny raharaham-pirenena. Fiaraha-mitantana no atao ka tokony handray andraikitra avokoa ny tsirairay avy, araka ny teniny.

Amin’ny lafin-javatra hafa indray, taorian’ny nanesorana ny minisitry ny ala sy ny tontolo iainana moa dia ny praiminisitra no miandraikitra io departemanta io. Ny famindram-pahefana rahateo efa tontosa (ihany) ny herinandro lasa teo, koa dia ny lehiben’ny governemanta izany izao no mandray an-tanana io ministera io ary nilaza fa tsy maintsy hisy ny fanadihadiana lalina momba ny raharaha andramena sy hazo sarobidy. Nilaza izy fa tsy voatery ho ireo mponina any amin’ny faritra misy ny ala no mandripaka ireo hazo sarobidy sy manao ny trafika, fa mety olona mipetraka eto Antananarivo, ohatra. Tsy maintsy fantarina ny tena marina hoy izy, ny amin’ny hoe : iza no maniraka, iza no mamatsy vola, iza no manondrana ary iza no tena mahazo tombontsoa amin’ity resaka andramena ity.

Nanamafy ihany koa ny praiminisitra fa efa misy ny fifampidinihana eo amin’ny fanjakana malagasy sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, toa ny Banky iraisam-pirenena ny amin’ny fametrahana paikady hiarovana ireo hazo sarobidy sy hiadiana amin’ny fandripahana azy ireo. Mazava ny resaka araka izay nambaran’ny praiminisitra Beriziky izay fa tsy mbola voasazy izany ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, tahaka ny efa nanatsidika resaka ihany koa i Beriziky fa misy mpandraharaha eto Antananarivo tafiditra ao anatin’ny trafikana andramena, ary tsy maintsy atao ny fanadihadiana lalina hahafantarana azy ireo. Ny minisitry ny tontolo iainana teo aloha, rahateo efa namoaka anaran’olona. Ho hita eo ny ho tohin’ity raharaha ity.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT