Actualités

Berija R sy ny depiote Tsivoulagne Maximin Raikitra ny ampamoaka sy ady…


  • Alarobia 22 Novambra 2017

Raikitra ny fifanolanana eo amin’i Berija Ravelomanantsoa, Lehiben’ny fari-piadidiam-paritry ny jono ao Sainte Marie sy ny depiote Tsivoulagne Maximin.

 

 Antony ny resaka fanararaotam-pafehana sy fitakiana vola tsy ara-drariny ataon’io tompon’andraikitry ny jono io izay voatendry nanomboka ny volana septambra, raha ny voalazan’ingahy depiote. Nanao fanambarana teny amin’ny hotely Colbert Antaninarenina i Berija Ravelomanantsoa omaly, ka nilazany fa aoka tsy harovana ny olona tsy manana taratasy, fa lasa gaboraraka ilay izy satria izay no zava-misy any. Ny resaka “Mareyeur” na ireo mpivarotra hazan-dranomasina tsy misy manana taratasy. Ny mpanangona sy mpanondrana trondro mankany Toamasina, Mananara,…efa ho 100 latsaka, kanefa olona 2 no manana taratasy. Mila omena alalana ny tsirairay, ary mandoa tamberim-bidy isan-taona any amin’ny tahirimbolam-panjakana, hoy izy. Toy izany ihany koa ny “Mereyeur” na ireo mpandraharaha. Mikasika ny sambo mpanjono dia manomboka 15 Chevaux miakatra no tsy maintsy manana “licence industriel” araka ny lalàna, kanefa ny ankamaroany tsy misy manana. Ilay olona rehefa resena lahatra, dia mandeha mitory any amin’ny mpanao politika. Ilay mpanao politika amin’izay no miaro ilay vahoaka tsy misy taratasy. Ny tenako, dia sanatria tsy hamotika firenena tahaka izany. Efa apetraka foana hoe rehefa atao ohatr’izany ary harovana tahaka izany, dia aleoko izao miala any fa inona no ataoko any, hoy i Berija Ravelomanantsoa.

Fanararaotana sy fitakiana vola tsy ara-drariny

Nitondra fanazavana kosa ny depioten’i Sainte Marie Tsivoulagne Maximin taorian’izay, ary namotsipotsitra sy nanao ampamoaka momba ireo ambarany ho fanararaotam-pahefana sy fandikan-dalàna ataon’io tompon’andraikitry ny jono io. Ny mahazatra ny olona dia misy ny mandefa “commission” na entana halefa any Toamasina, Soanierana Ivongo,… toy ny trondron-dranomasina, orita, Calmar,… Misy ny mitondra sakafo na koa voandalana ho an’ny fianakaviana. Ny zava-misy dia eo ilay rangahy io no miandry ireo olona mitondra “glacière”, ka izay mitondra trondro dia hitakiany 1500Ar isaky ny “glacière”, ary raha Calmar na orita dia 3000Ar, hoy izy. Mandeha aiza io vola io ? Ny vola miditra amin’ny fanjakana mantsy tsy maintsy misy « quittance à souche » na tapakila ara-panjakana manamarina izany, araka ny fanazavany. Misy ihany koa ny fanagiazana maoteran-tsambo ataony saingy havakavahana, ka na tsy ara-dalàna avokoa aza dia misy ny avela hiasa ihany, ary ambara fa hokarakarain’io tompon’andraikitra io ny taratasy. Tsy anjarany no mangeja fitaovan’olona fa an’ny mpanara-maso “surveillance de pêche”. Ny manao ny “certificat de conformité” ihany no asany, hoy io depiote io. Milaza ihany koa ity olom-boafidy ity fa efa nandefasan’i Berija Ravelomanantsoa hafatra isan-karazany, fa vonon-kiady sy tsy matahotra an’ity depiote ity. Ampitaiko amin’Atoa minisitra hoe rehefa handefa olona dia mba jereo tsara ny toetrany, ary raha ohatra olona tsy voafehinareo dia aleo izy tsy homena asa fa tsy halefa any aminay, hoy izy. Izahay tsy manavakavaka na iza na iza fa rehefa olona tsy hifanome tanana amin’ny fampandrosoana, dia izahay tsy mila, hoy hatrany ny depiote Tsivoulagne Maximin.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT