Actualités

BEPC Tanŕ Namiratra ny sekoly tsy miankina


  • Alarobia 04 Aogositra 2010


Nivoaka omaly ny valim-panadinana Bepc 2010 ho an’ny teto Antananarivo renivohitra. Nahatratra 56,52 % ny taham-pahafahana, izany hoe somary latsaka kely raha oharina tamin’ny taon-dasa izay 56,56%. Ankizy telo no nahazo salanisa ambonin’ny 18         amin’ny 20 dia i Andrianirina Alice Francia avy ao amin’ny sekoly “Fo Masin’i Jesoa” izay nahazo salanisa 18,28/20. Laharana faharoa mitovy manaraka azy kosa Ratsimamitaka Sophie avy ao amin’ny Saint Antoine sy Robinson Andriantsoa Fifaliana avy ao amin’ny “Le Petit Nid” izay samy manana salanisa 18,06. Mpianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina avokoa no laharana 20 voalohany tamin’ity indray mitoraka ity izay manana salanisa ambonin’ny 17 avokoa. Nivoaka omaly ihany koa ny lisitr’ireo mpianatra tafiditra amin’ny taona faha-10 eny anivon’ireo lisea ka isaina amin’ny rantsan-tanana ireo mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana fa ireo mpianatry ny tsy miankina avokoa no mameno ny isa. Niaiky moa ny ministry ny fanabeazana Razafimanazato Julien fa manjaka tokoa ny sekoly tsy miankina ka tokony hanao ezaka manokana ny sekolim-panjakana manoloana izany. Ireo sekoly nanana kandida mihoatra ny 50 ka nahatafita ireo mpiadiny rehetra indray dia mbola sekoly katolika avokoa no mitana ny laharana 6 voalohany.

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT