Actualités

BEPC Morondava Tery vay manta ny famoahana ny valim-panadinana


  • Alakamisy 05 Aogositra 2010

Tao anatin’ny savorovoro no namoahana ny valim-panadinana BEPC ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana na Cisco Morondava, faritra Menabe.

Ny tolakandron’ny alarobia 04 aogositra no nivoaka io valim-panadinana io, tamin’ny taham-pahafahana 39,7%. May ny hanenjika ny famoahana ny valim-panadinana ao anatin’ny fotoana fohy, araka ny fanirian’ny ministry ny fanabeazam-pirenena, ny Cisco ka dia natao tery vay manta izay hivoahan’izany ho an’i Morondava. Ny zava-nisy anefa dia nandà tsy nety hanao “délibération” ny mpitsara raha tsy voaefa ny “vacation” na tambin-karama tamin’ny nitsaran’izy ireo ny kopian’ny mpiadina taona 2009, izay 20.000Ar isan’olona. Ny talata no efa niseho ny olana, dia nitohy omaly tontolo andro. 56 no isan’ireo mpitsara fanadinana. Nanomboka teo ny fanomezan-tsiny ireo mpitsara fanadinana nataon’ny lehiben’ny Cisco, tamin’ny alalan’ny radio tsy miankina, an’ny katolika, tao Morondava. Tonga hatrany amin’ny fandrahonana mihitsy aza izany ny omaly toy ny hoe : handalo ao aminy ny dosien’ny mpampianatra ireo, sy ny hoe : misy aminareo no tsy mbola mpiasam-panjakana raikitra koa dia hifankahita eo. Tsy nanaiky lembenana nanoloana ny teritery sy fandrahonana anefa ny ankamaroan’ny mpitsara fanadinana. “May amin’izay maha maika azy ny Cisco hamoaka anatin’ny fotoana fohy ny valim-panadinana hahazoany laza eo anatrehan’ny ministera fa zonay koa ny hahazo ny valin-kasasaranay”, hoy ireo mpitsara fanadinana.

Araka ny fantatra dia iray tapitrisa ariary no bolongam-bola ilaina handoavana ny “vacation” 2009 mampifanolana ity. Ireo mpampianatra sambany vao nandray anjara tamin’ny fitsarana fanadinana BEPC, toy ny avy ao Bemanonga sy Analaiva, no tonga nanao “délibération” ny tolakandron’ny alarobia tamin’ny telo ora. Tsy nisy antsasamanilan’ny mpitsara anefa izy ireo : 12 amin’ny 56. Raha ny fomba amam-panao anefa dia tsy tokony hanapa-kevitra raha tsy mahazo fetr’isa saingy izay no nitranga omaly. 09/20 ny salanisa farany ambany nifanarahan’izy ireo fa hafahana ka nanome io taham-pahafahana 39,7% io. Hatrany amin’ny fitsarana kopiam-panadinana no nitranga ny disadisa tao Morondava. Maika hanenjika famoahana valim-panadinana ny Cisco dia nanafatra mpitsara avy any Mahabo hifarimbona hamita ny fitsarana ny matematika sy ny SVT, ny sabotsy sy ny alahady teo, na tsy nanatrika ny fivoriana iarahana mialoha ny hirosoana amin’ny fitsarana fanadinana aza izy ireo. Ho hita ny tohiny. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT