Nizotra araka ny tokony ho izy amin’ny ankapobeny ny andro voalohany amin’ny fanadinana BEPC teo anivon’ny foibem-panadinana lycée Ampefiloha.
Voahaja ny fotoana fidirana ka tamin’ny 8 ora sy tamin’ny 2 ora tolakandro katroka no nanomboka ny fizarana ny laza adina raha ny fanazavan’ny proviseur LMA, Razafindralambo Nirina. Na izany aza dia misy ihany ireo ankizy vitsivitsy nanadino ny karatra maha mpianatra ny tapakandro maraina izay noleferina saingy notakiana taminy kosa anefa izany ny tolakandro. Ankoatra izay dia mpiadina tokony ho 50 tamin’ireo 3058 voasoratra anarana hiadina ao anivon’ny LMA no tsy tonga niatrika ny fanadinana. Tsy nisy koa ny ankizy tratra naka tahaka. Teo amin’ny lafiny fiambenana kosa anefa no nisy lesoka kely. Tsy ampy 60 be izao mantsy ireo mpanaramaso ny tokontany ka ireo mpiasan’ny LMA no nasaina nameno ny banga. «Ara-dalàna ny isan’ireo mpiambina tao anaty efitranom-panadinana raha 124 monja no tonga tamin’ireo mpanaramaso eny an-tokontany. Tokony ho 184 anefa izy ireo», raha ny fanazavan-dRazafindralambo Nirina ihany. Ho fanafainganana ny famoahana ny valim-panadinana dia omaly tolakandro ihany dia efa nanatanteraka fivoriana savaranonando ireo mpitsara ka manomboka amin’ity anio ity ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja malagasy sy Siansa (SVT).
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.