Fanadinam-panjakana faharoa ny Bepc izay manomboka ny alatsinainy 26 jolay izao ary haharitra efatra andro. Nitombo 3,40% ny isan’ny mpiadina tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ny 2009 izay lasa 205.299 ka avy eto an-drenivohitra ny 79.814.
Efa tsara ambin’ny mpitandro ny filaminana eny anivon’ny ivotoeram-panadinana isanisany ny ankamaroan’ny laza adina afa tsy vitsivitsy izay mbola eny an-dalana raha ny fanazavan’ny ministry ny fanabeazam-pirenena ao amin’ny governemanta FAT, Razafimanazato Julien. Efa voaomana koa anefa ny laza adina fiandry izay ampiasaina avy hatrany raha sanatria misy ny tandrevaka ka mety hivoahan’ny laza adina mialoha ny fotoana. Hisy ihany koa mandritra ny andron’ny fanadinana ny laharan-tariby misokatra lalandava izay azon’ny rehetra antsoina raha misy olana na tranga mampiahiahy ka ny laharana 033 23 123 50 ho an’ny Zain, 032 03 100 00 ny Orange ary ny 020 30 807 86 ho an’ny tambajotra Telma izay marihina fa maimaimpoana ny miantso azy. Momba ny valim-panadinana dia nanazava ity ministra FAT ity, fa hezahina ny hamoaka izany ao anatin’ny fotoana fohy. “Raha maharitra iray volana eo ho eo hatrany ny fotoana fitsarana ny taratasim-panadinana isan-taona dia atao izay hanafainganana azy amin’ity indray mitoraka ity”. Efa voafolak’ireo teknisianina isaky ny fari-piadidim-pampianarana ny fampiasana ireo solosaina sy logiciel fanambarana ny isa azon’ny mpianatra tsirairay izay. Tamin’ny Cepe teo moa no nisantarana ny fampiasana ireo fitaovana ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.