Bepc 2010

Antananarivo Anio ny “délibération”


  • Talata 03 Aogositra 2010


Efa voatsara avokoa ireo taratasim-panadinana amin’ny taranja rehetra tamin’ny fanadinana bepc 2010. Efa tontosa toa izay ihany koa ny fampitambarana ny isa isaky ny taranja ho an’ireo mpiadina rehetra. Raha ny fanazavan-dRazafindramboa Voahangy, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra, dia anio tolakandro no hanaovana ny “délibération”, izany hoe hanapahana ny naoty farany ambany ho an’ireo ankizy hafahana fanadinana. Tsy nanambara ny fotoana ivoahan’ny valim-panadinana kosa anefa ity tomponandraikitra voalohany eo amin’ny fampianarana eto an-drenivohitra ity. Raha tsiahivina dia maro ny tsy fahatomombanana tamin’ny fanomanana ny laza adina 2010 izay nahitana fahadisoana sy tsy fahalavorariana maro. Raha teo amin’ny fitsarana indray dia nisy ireo mpampianatra voatondro hanatanteraka ny asa no tsy tonga ka voatery nosoloina. Manginy fotsiny ny haratsin’ny naotin’ny mpianatra.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT