Mitaraina mafy ny mponina any amin’ny kaominina ambanivohitra Beparasy any amin’ny distrikan’i Moramanga Faritra Alaotra Mangoro fa tafakatra hatrany amin’ny 3000 ariary ny kilaon’ny vary tsy an-kanavaka tonga eny an-tsena sy toeram-pivarotana any an-toerana.
Mitazam-potsiny ireo tompon’andraikitra mahefa any an-toerana mahita izany ary manontany tena hoe : nankaiza ny vary 1000 taonina avy amin’ny Sinoa farany teo manoloana an’izany. Marihana fa tamin’ny RIP na (Route d’Interêt Provincial) mbola nisokatra ara-dalàna dia 45 km miala an’i Moramanga tampon-tanàna monja dia tonga any amin’ity kaominina ity saingy efa maty tanteraka izany lalana izany taorian’ny taona 2009 ka lasa any Anjiro 30 km miala an’i Moramanga no mivily ankehitriny raha hoan’ny amin’’ity kaominin’i Beparasy ity ary ao Andriaka 10 km miala an’Anjiro no maka Taxi-moto izay tsy mahazaka olona afa-tsy tokana miaraka amin’ny entana 20 kg ary 6000 ariary ny saran-dalana mandro sy miverina Andriaka-Beparasy 35 na 40 km. Rehefa main-tany vao mba misy “Camion” mpitondra entana mihazo an’izany lalana izany nefa dia toerana mamokatra sy mpamatsy tsaramaso an’i Moramanga sy ny manodidina ny any Beparasy. Azo antoka, hoy ny vaovao voaray, fa any amin’ny toerana lavitra Andriana manodidina an’ity kaominina ity koa dia efa tsy misy valaka amin’izany ny vidim-bary misy. Mba manaitra ny tompon’andraikitra mahefa eto amin’ny firenena izahay aty Beparasy, hoy ireto mponina ireto, mba hizaha ny zava-misy marina aty an-toerana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.