Actualités

Ben’ny tanŕnan’i Brickaville Nafahan’ny Fitsarana madiodio


  • Alarobia 08 Septambra 2010

Vita omaly talata 07 septambra ny fitsarana ny Ben’ny tanŕnan’i Brickaville, Gerard Jean Claude na i Manavolo, voatana am-ponja vonjimaika taorian’ny nahaverezana zezika sy masomboly ary kojakoja entina amin’ny fambolena samy hafa, very tao an-trano, ny faramparan’ny volana jolay iny.

Avy hatrany mantsy tsy nahita olona nenjehina ny fikambanana nametraka ireo entana tao an-tranony ireo, ka nitory azy ho tompo-marika tamin’ny halatra nitranga. Ny volana aogositra manontolo no nahavoatana am-ponja vonjimaika azy tao Ambalatavoahangy. Vokany, afaka madiodio teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany nitsara ny raharaha ingahy ben’ny tanàna, raha efa nandeha ny fifandaharana sy ny fifanazavana. Ireto mpitory koa tsy ampy porofo sy tsy nanana izany mihitsy tamin’izao fanenjehana azy izao, ka tsy nisy afa tsy ny fanafahana azy madiodio no didy navoakan’ny fitsarana tao Toamasina.

Nandritra ny fitanana am-ponja vonjimaika an’i Gerard Jean Claude dia niantona ihany koa ny naha ben’ny tanànan’i Brickaville azy. Ny lalàna ihany koa anefa milaza fa raha tsy voaheloky ny fitsarana ny Ben’ny Tanàna dia afaka miverina avy hatrany mandray ny toerany. Ny raharaha nahazo azy koa tsy fitoriam-panjakana, fa raharaha sivily ka tsy misy hidiran’ny fanjakana ny mampiato na tsia azy amin’ny asany. Vao vita moa ny fitsarana omaly, ka nivoaka ny taratasy milaza ny fahafahany madiodio, dia namonjy an’i Brickaville avy hatrany ny tenany hamita ireo antontan-taratasy maro be miandry azy eo anivon’ny Kaominina.
Ankoatra izay, dia nambarany tamin’ireo olona sy ny fianakaviany nanohana azy tamin’izao fitsarana izao, fa “ny soa atao levenam-bola, fa ny ratsy atao loza miantona. Aza mamaly ratsy ny ratsy, fa valio soa izany fa izay no hanavotra anao amin’ny fiainana”. Milaza ny hanomana lanonana ho an’ny vahoakan’i Brickaville nifidy azy ingahy Ben’ny tanàna amin’ity herinandro ity, ho fisaorana ireo mponina tamin’ny fanohanana azy hatramin’ny farany.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT