Niseho tamina fividianana solika ny sasany, tamina fividianana fanaka ny hafa. Ireo, hatreto aloha no fantatra, fa mahavoarohirohy ny Ben’ny tanŕnan’Antsiranana, Johary Houssen Alibay.
Nisy fotoana tapa-bolana lasa izay, tsy tazana tao Antsiranana ity Ben’ny tanàna ity. Fahabangan-toerana somary nanaitra ny mponina tao an-toerana ihany. Lasa mihitsy aza ny tenin’ny mpanara-maso politika hoe raha tany Manakara na Toamasina ny toy ity dia tsy efa ny mpitondra ny Fahefana Avon’ny Tetezamita nanendry delegasiona manokana nanoloana azy. Teo no nandeha ny resaka samihafa manombatombana izay mety ho antony tsy naha tao an-toerana an’ingahy Ben’ny tanàna. Fa ny niraisan’izy ireny dia ny filazana fa misy dosie mafanafana mahakasika azy any amin’ny mpitandro ny filaminana any. Rehefa natao ny fikaroham-baovao dia nipoitra io resaka fividianana solika amin’ny seky tsy misy anto-bola io. Tamin’ny toby mpaninjara solika iray ao an-tanàna izy ity no nitranga. Araka ny fantatra dia ny Ben’ny tanànan’Antsiranana teo aloha, Yves Sylvain Rolland izy ity. Raha iverenana fohy dia naaton’ny mpanolontsaina tamin’ny asany ity Ben’ny tanàna ity, ka tsy nahatapitra ny fotoam-piasany ara-dalàna.
Notendren’ny fitondrana teo aloha ho filohan’ny delegasiona manokana hitantana ny tanànan’Antsiranana, hisolo toerana azy i Johary Houssen Alibay. Nirotsaka ho kandida Ben’ny tanàna ity farany ny 12 desambra 2007 ary dia voafidy. Nisafidy ny hanohana izao fitondrana izao izy, na tsy dia miseho miharihary amin’izany aza, rehefa raikitra ny sakoroka ny taona 2009. Dia izao mametraka tantara hafahafa izao. Araka ny fantatra raha ny tao amin’ity toby mpaninjara solika Total ity, dia manodidina ny efatra hetsy ariary ny seky voasoniany nalefa tao. Tsy nividianana solika avokoa anefa izy io fa ny ampahany ihany, iray hetsy teo, no nividianana solika fa noraisina vola ny ambiny. ROM na «Ramassage des Ordures Ménagères» ny seky tamin’io. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny kaominina Antsiranana, dia tokony ho sonia roa vao manankery ny seky, dia sonian’ny Ben’ny tanàna amperin’asa sy ny mpitam-bolan’ny Kaominina. Ny sonian’ny Ben’ny tanàna irery anefa no tao.
Tsy vitan’izay fa rehefa narotsaka tany amin’ny banky dia teo no tsikaritra fa tsy misy anto-bola mifanaraka amin’ny sorabola tao amin’ilay seky, izay seky BNI. Nanao randra-mitarika ny raharaha, satria ankoatra an’io, dia fantatra ihany koa, araka ny loharanom-baovao akaiky ny Kaominina fa nisy fanaka mitentim-bidy eo amin’ny enina hetsy ariary eo koa nalaina tamina tranombarotra iray ao an-tanànan’Antsiranana mivarotra ireny fitaovana informatika sy vokatry ny teknolojia maoderina ireny. Tsy fantatra mazava moa ny nametrahana ireo fitaovana ireo, fa mbola seky mitovy amin’ny teo aloha ihany koa no nandeha tamin’ity. Misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Miandry ny hivoahan’ny mangarahara manodidina ireto raharaha ireto ihany koa ny vahoaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.