Fara-doboka amin’ny fanaterana ny antontan-tartasy ho an’ireo kandida amin’ny fifidianana ben’ny tanŕna sy mpanolotsain’ny tanŕna anio 15 mey 2015. Mifantoka amin’ny eto Antananarivo Renivohitra ny sain’ny mpanara-baovao
, satria amin’ny maha renivohitra azy sy ny fananany sata manokana dia manana lanja politika goavana kokoa izay ben’ny tanàna hofidiana eto. Maromaro ireo fantatra fa hanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany eny amin’ny OVEC Nanisana anio ka anisan’izany , araka ny tsiliantsofina re ny kandidan’ny Tiako i Madagasikara Rtoa Lalao Ravalomanana, izay efa ela ihany no namisavisan’ny maro ny firotsahany saingy anio maraina moa vao tena ho fantatra amin’ny fomba ofisialy eny Nanisana izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.