Voarohirohy amin’ny fikasana hanafika ny orinasa sinoa mpanao vy eny Ambohimanambola ny ben’ny tanŕnan’ny kaominina Ampefy sy ny rahalahiny. Mailo tamin’ny fahatazanana ny fihaodihaodin’izy ireo ny toerana in-droa andro misesy tamin’ny alalan’ny « camera de surveillance »
ireo sinoa tompon-toerana ka niantso mpitandro ny filaminana avy hatrany. Nampiahiahy be ireto tompon’ny orinasa ireto koa ny fisian’ny zavatra fotsifotsy nanakona ny plaky fipetrahan’ny laharana fiara nentin’izy ireo. Nahamailo ny tompon’ny orinasa ny fihetsika nasehon’ireo vahiny. Niresadresaka sy nanontanitany fotsiny mantsy izy ireo fa tsy nanan-kevitra hividy na hanjifa vy mihitsy, hoy ny fanazavana azo teny an-toerana. Noraisin’ny teny anivon’ny fitsarana fotsiny ny antontan-taratasy mikasika ny raharahan’ity ben’ny tanànan’Ampefy ity sy ny rahalahiny ary dia nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fakana am-bavany azy. Raha ny tokony ho izy, nampandalovina tao amin’ny fampanoavana izy mirahalahy, saingy tsy fantatra mazava izay antony nampihemotra ny raharaha.
Ntsoavina Evariste
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.