Actualités

Ben’ny tanŕnan’Alasora teo aloha “Mila henjehina tamin’ireo zavatra tsy nety nataony”, hoy ny Hafari


  • Talata 14 Aprily 2015

Zava-dehibe loatra iny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana tamin’ny fampiatoana ny Ben’ny tanŕnan’Alasora tamin’ny asany iny, hoy ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy.

 

Tsy  tokony hisy ambonin’ny lalàna mantsy fa rehefa manao ny tsy mety na antoko iza na avy amin’ny fikambanana aiza  dia tokony hofaizina avokoa, hoy izy. Notsindriany fa mbola mitohy hatrany ny fitoriana napetrany teny amin’ny Bianco izay ananany porofo. Ankoatra izay dia tsy tokony hijanona tamin’ny fampiatoana ity Ben’ny tanàna ity tamin’ny asany fotsiny ny sazy omena azy fa mila henjehina tamin’ireo zavatra tsy nety nataony izy. Anisan’izany ny fanodinkodinany volam-bahoaka sy famarotany ny tany tamin’ny Sinoa. Mba hitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka dia manao antso avo amin’ireo mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina Alasora ity filohan’ny fikambanana hafari ity mba hanafoana ilay fifanarahana nifanaovan’ny Ben’ny tanàna tamin’ilay sinoa. Aleo hanaovana fotodrafitrasa ho an’ny vahoakan’Alasora ny tany dia samy mahazo tombontsoa ny rehetra toy izay omena ny vahiny ny tany. Nomarihiny fa tsy tokony ho ny Ben’ny tanànan’Alasora irery no hiharan’ny fanasaziana tahaka izao fa rehefa mpiasam-panjakana manao ny tsy mety ao anatin’ny fametrahana ilay antsoina hoe :  «  état de droit ».

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT