Actualités

Ben’ny tanàna Midongy ny moton’i Dada


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010

Ny sabotsy 09 oktobra no noraofina ary nentina tao Mahavelona Foulpointe avokoa ireo Ben’ny tanàna avy amin’ny faritra Atsinanana, Analanjirofo ary Vakinankaratra. Nanararaotra ny fahatongavan’izy ireo tany ny ministry ny fanajariana ny tany sy fanapariaham-pahefana, nanazava tamin’ireo Ben’ny tanàna ireo, ny momba ilay didy hitsivolana mamaritra ny fifidianana ny Ben’ny tanàna ny 20 desambra.

Nandritra io fihaonana io anefa no nilazan’ireo Ben’ny tanàna, tamin’ny alalan’ny solontenany avy ao Vakinankaratra fa “ajanony ho fanananay Ben’ny tanàna am-perinasa manokana ilay moto avy amin’ny fitondrana teo aloha, fanaovanay fitsidiham-paritra iny. Ny solombavambahoaka sy ny senatera aza mahazo fiara 4x4 mihitsy ho azy manokana, ny ministra sy ny mpiara-miasa aminy ary ny prezidansa aza mahazo koa fiara manokana ho azy ireo, ka izay moto kely avy amin’ny fitondrana teo aloha iny ve tsy ho foin’ny fanjakana tetezamita ho an’ny Ben’ny tanàna”. Tsy nanome valiny anefa ny ministry ny fanajariana ny tany sy fanapariaham-pahefana, ny hany nolazainy dia ny hoe “voaraiko ny hetahetanareo Ben’ny tanàna, hoentiko eo anatrehan’ny filankevitry ny ministra izany, ka izahay miaraka amin’ny alalan’ny filohan’ny FAT no handray fanapahan-kevitra mikasika ny fanomezana ilay moto ho anareo na tsia”.

Ankoatra izay, dia nidedaka nanome toky ireto Ben’ny tanàna tonga tao Mahavelona Foulpointe ireto, fa “raha milaza ny mpanohitra izao fitsapan-kevi-bahoaka ho avy izao fa tsy misy afa tsy 20% ny mpifidy no ho tonga, dia hakarinay ho 75% izany, satria izahay izao mihitsy no hanentana ny mponina sy ny mpifidy ao aminay tsirairay avy handeha hifidy”. Tsy fantatra anefa na hampifidy ny “Eny” na “Tsia” ity taha hakarina ambony ity, fa ny hita aloha dia manao pi-maso amin’ingahy minisitra hanery ny governemanta hanome ilay moto no tanjona, dia ho hita eo ny teriterin’ny governemanta FAT ho tambiny amin’ny fanomezana ity moto an’i... Dada ho fananan’ny Ben’ny tanàna ity.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT