Actualités

Bemasoandro Itaosy Mifanolana ny samy tompon-tany


  • Alatsinainy 31 Jolay 2017

Misy karazana ady tany mitranga ao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy amin’izao fotoana izao. Efa ho herinandro mahery no nitrangan’izany.

 

Tompon-tany roa izay fantatra fa nanome ny taniny mba hanaovana lalana ho an’ny daholobe no misy olana kely. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Bemasoandro Itaosy Rakotomandimby Jean Martial dia efa eo am-pandaminana ny raharaha izy ireo amin’izao fotoana izao. Samy manana ny marina ireo tompon-tany ireo saingy ny sarin-taniny no misy kely tsy mitovy. Nomarihiny fa tsy fantatra ihany koa na an’ny kaominina Bemasoandro ity tany misy olana ity na an’ny kaominina Andranonahoatra satria eo anelanelan’ny fizaran-tanin’ny roa tonta. Raha araka ny feo mandeha moa dia efa saika nisy mihitsy ny fanidiana ity lalana ao ambadiky ny tranombarotra Horizon ity teo aloha teo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT