Ny alatsinainy 3 hifoha ny talata 4 septambra manodidian ny tamin’ny iray ora maraina vokatry ny fifampitifirana teo amin’ny mpitandro filaminana mitambatra nanenjika ireo dahalo saika hangalatra omby tao amin’ny Fokontany Ankapaiky, Kaominina ambanivohitra Belo Tsiribihina dia enina no maty ka telo amin’ireo dia mpitandro filaminana.
Lavon’ny balan’ny malaso tamin’ity fifanjevoana ity ny kapiteny Miandrizara Albert, komandin’ny Holafy miaramila faha-510 sy ny adzida Ravelojaona Bruno, komandin’ny borigadin’ny zandary ao Belo Tsiribihina ary zandary mpiana-draharaha iray, Aina Marius Laurent. Telo kosa ny dahalo maty, ankoatra ny voatifitra fa afa-nandositra. Tsy nisy ny omby lasa, araka ny loharanom-baovao akaiky ny zandary any an-toerana. Vao saika hangalatra sy hanafika ireto malaso ireto no niantso haingana ny mpitandro filaminana ny Fokonolona. Tonga ara-potoana ireto farany ka nanao ny fanenjehana.
Tao Tetezana, somary kizo sady ambany toerana, tsy lavitra ny tampon-tanànan’i Belo Tsiribihina no nisehoan’ny fifandonana. Araka ny loharanom-baovao dia dahalo niisa 21 eo, nirongo basy dimy no nanafika. Nanao andiany roa izy ireo, ka ny andiany voalohany niraoka ny omby, ny andiny faharoa kosa, izay malaso telo lahy samy mitam-basy avy, niandry tao ambany tetezana hanamora ny fampitana ireo omby halatra. Ilay kapiteny komadin’ny holafy faha-510 niaraka tamin’ny lietnà lefiny, sy ilay komandin’ny borigady niaraka tamin’ilay zandary mpiana-draharaha no tonga voalohany teo amin’io toerana, Tetezana io, vantany vao nandre ny antso vonjy. Araka ny voalaza mantsy dia tsy maintsy handalo eo ireo omby halatra. Tsy nanampo ny efa fisian’ireo malaso tao izy ireo. Ireo dahalo indray tetsy ankilany dia poa-basy no famantarana sy fampilazana fa efa hidina amin’io toerana io ireo namany mandroaka ny omby. Vao nandre io poa-basy io anefa ireo miaramila ireo dia nanao tifitra variraraka tany amin’ny faritra heverina fa hipoiran’ireo andian’omby roahin’ny malaso. Nandritra izay anefa no nitifitra ireto malaso telolahy efa niandry tao, ka nahavoa azy ireo.
Araka ny loharanom-baovaonay dia teo am-bavafony no niantefan’ny bala tamin’ilay kapiteny, komandin’ny holafy miaramila faha-510, teo amin’ny tanana nahazo ny fo kosa no nahavoa ilay komandin’ny borigady ary tafavoaka ny vatany ny bala. Teo amin’ny kibo, rovitra, no nahavoa ilay zandary mpiana-draharaha. Maty tsy tra-drano izy ireo. Taorian’izay vao nisy fiara 4x4, nitondra polisy sy miaramila hanampy ary nahavotra ilay lietnà lefitry ny komandin’ny Holafy miaramila faha-510. Ny taratra hazavan’ny jiron’io fiara io no nahitan’ilay lietnà niaraka tamin’izy telo ireo ny iray tamin’ireo malaso nitifitra avy ao ambany tetezana, ary dia notifiriny avy hatrany ka lavo. Raha saika haka ny basy teny an-tanan’ilay malaso voatifitra ny namany iray no voatifitra ihany koa, ary maty. Toy izay ihany koa no nahafaty ilay malaso fahatelo. Voalaza fa nisy roa hafa koa voafitifitra saingy mbola afa-nandositra niaraka amin’ny ratra any. Azo ny basy telo vaovao, marika “BAIKAL” nampiasain’ireo malaso ireo. Araka ny loharanom-baovao ihany dia fantatry ny mpitandro ny filaminana ao Belo Tsiribihina ny iray amin’ireo malaso maty io, fa mivezivezy ao Miandrivazo ao. Ahiana ho avy any ihany koa ny fiavian’ireo basy ireo. Koa satria nisy faty olona ka dia nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana.
Tsy fahita loatra ihany koa ny hoe indray lavo anaty fanafihana toy izao ny mpitari-tafika miaramila sy zandary. Nakarina ao Belo Tsiribihina ireo razana ireo ny maraina ary nandrasana tao amin’ny Tobin’ny holafy miaramila faha-510. Anio no halefa any Mahajanga ny nofomangatsiakan’ilay kapiteny, any Mahabo ilay komandin’ny borigadin’ny zandary ary any Miandrivazo kosa ilay zandary mpiana-draharaha. Tanàna maty na “Ville morte” tao Belo Tsiribihina omaly. Nisy andia-miaramila nanao be fiavy indray koa mantsy ireo, nitoto vodibasy izay sendra an-dry zalahy, indrindra ny tao an-tsena. Misy amin’ireo andia-miaramila ireo aza no nahavita mandroaka Malagasy mitovy aminy, ka nanaovana hoe : “mandeha mody izay tambanivolo”.
Nangonin’i Jean D
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.