Taorian’ny fitsarana ady madio izay namoahan’ity fitsarana ity ny didy manafoana ny famoivarotana teo amin’ny tompon-tany, sy ity ramatoa mpandraharaha ara-barotra isan’ny fantan-daza eto Toamasina,
ity tany lehibe iray kasaina hanaovana fandraharaha ao Belambo Toamasina suburbaine, dia miverina mifoha indray ny raharaha. Tsy ny tompon-tany mpivarotra, na ilay mpividy ny tany no nanao ny fitoriana fanafohanana ny fifaranaham-pivarotana, fa ny fikambanana “Fagnako” izay nitondra olona niditra tao anatin’ilay tany ka niteraka sakoroka tamin’izay fotoana izay. Tsy faly noho didy nivoaka ny mpividy ny tany ka nampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana ambony, ka raha ny lalana dia mantona aloha ny didy nivoaka teo anivon’ny fitsarana ady madio ny fitsarana ambaratonga voalohany. Nilaza ihany koa ny tompon’ny tany mpamarotra fa raha nofohanan’ny mpitsara ny fifampivarotana tany teo amin’ny roa tonta, dia midika izany fa miverina aminy ny taniny, na efa nahavitana fampisarahana ara-tany ara-dalana teo anivon’ny fananan-tany izany. Fantatra anefa izao araha ny fiheveran’ny fikambanana “Fagnako” fa nandresy izy ireo teo anivon’ny fitsarana ka afaka miditra amin’ny tany ao Belambo ity, izay mihevitra ny hanao lanonana sy famonoana omby ny faran’ny herinandro izao ho mariky izany. Eo anefa no hiteraka ny ady sy sakoroka hitranga satria hanaiky ny fidiran’olona amin’ny taniny izy ireo alohan’ny fivoahan’ny didy raikitra mikasika izao ny raharaha izao; koa hatahorana ny fifandonana hiteraka faty olona sy faharatrana olona mafy ny faran’ny herinandro izao ao Belambo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.