“Tsy olona mahantra izahay Bekotro maroholatra sisa velona amin’izao fa mpanjakan’i Madagasikara tamin’ny asa soa ho an’ny tanindrazana tsy misy mpijery”.
Anisan’ny nambaran’ny filohan’ny tapaporohana sisa tsy may ao Toamasina io nandritra ny fankalazana ny faha-68 taonan’ny 29 martsa 1947. Vokany, mangataka izy ireo ny hampiakarana ny vola fandrain’izy ireo, ny hanamboarana trano fonenana “manara-penitra” ho azy ireo sy ny taranany, ary ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana marina ho tombontsoan’ny faritra tsirairay eto amin’ny firenena. An-kilan’ireo ny fanentanany ny tanora sy ny mpanao politika malagasy ankehitriny, mba tena hiroso amin’ny fitiavan-tanindrazana amin’ny asa atao sy amin’ny fihetsika aseho. Tonga niatrika ny lanonana ny alahady teo ny minisitry ny indostria Rafidimanana Narson, nitarika ny lanonana kosa ny lehiben’ny faritra atsinanana Talata Michel, izay nitondra hafatra fa “ra latsaka, aina nafoy, noho ny fitiavana ny tanindrazana. Tokony ho izany lohahevitra noraisina izany no hataontsika izao, ka hiroso amin’ny tena fihavanana, fampihavanana ary ao anaty fitiavana marina”. Omby iray sy vary 5 gony no natolotra azy ireo niarahany nifety tamin’ny havany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.