Nisavoritaka ny teny Behoririka teny omaly maraina. Tonga nandroaka ny entan’ireo mpivarotra amoron-dalana am-polony maro ny fiaraben’ny CUA iray sy ny mazda iray, nitondra ireo polisin’ny tsena tokony ho 30 lahy.
Nanomboka teny Analakely ireto farany no nandroaka izay sendra azy mandra-pahatonga teny Behoririka. Feno tanteraka, vokatr’izany, ilay fiarabe ka ireo entana mbola nifono tamin’ny gony no tena lasibatra. Ankoatra ireto farany dia nameno ity fiarabe ity ihany koa ny seza sy ny latabatra saika hampiasain’ny mpivarotra. Rehefa nifampiritarita teo anefa ny roa tonta dia tapa-kevitra ny nanohitra ireo mpivarotra avy any Analakely ka raikitra ny tora-bato. Nirohotra namonjy ilay fiarabe feno entana ireto farany taorian’izany ka polisin’ny tsena iray no azony ary nanamparany ny fony. Voatery nirotsaka an-tsehatra namonjy ilay namany naratra ireo polisin’ny tsena sasantsasany noho izany ka raikitra ny fifanenjehana izay niafara tamin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana mihitsy. Na izany aza tsy nisy tafaverina ny entana. Nanambara moa ireo mpivarotra sasantsasany fa mbola tantara mitohy ny adin’izy ireo amin’ny polisin’ny tsena, indrindra amin’izao ankatoky ny Fetin’ny 26 jona izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.