Actualités

Behenjy Zaza dimy voahitsaky ny kamiao


  • Alakamisy 19 Aogositra 2010


Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no niseho tetsy Amboasary, tanàna iray misintaka kely an’i Behenjy Antsirabe, omaly tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro. Kamiao iray nisongona iray hafa no niandohan’ny loza. Nifanena tampoka tamin’ny mini-bus mazda mantsy io nandritry ny fisongonana nataony. Naleon’ilay saofera nanitsy tany amin’ny tokotanin’olona toy izay nifaoka ilay taxi-brousse. Ny tsy fantany anefa dia nisy zaza dimy nilalao teo amin’io toerana io. Vaky ny tamboho vato ary tafiditra tao an-tokotany ilay kamiao lehibe feno entana. Voahitsaka tao ireo zaza dimy. Maty tsy tra-drano ny iray izay vavikely. Ny roa kosa tavela tao ambanin’ilay kamiao ary mbola nitohy ny fisokirana azy omaly hariva raha araka ny vaovao farany azonay. Tsy mbola fantatra na avotra ihany izy ireo na tsia. Ny roa hafa farany indray dia nentina avy hatrany teny amin’ny Hjra. Ny iray, vavikely valo taona, dia namoy ny ainy ihany na teo aza ny ala nenina nataon’ny mpitsabo. Iray izay sisa no mbola ezahina avotana ny ainy amin’izao fotoana. Io indray dia mivonto be ny lohany ary ahiana ho misy ratra anaty. Eo anivon’ny «neurochirurgie» an’ny Hjra izy io no tsaboina. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT