Actualités

Beanjara Paul Misy fetrany ny fitakiana sendikaly


  • Alakamisy 23 Aogositra 2012

Misy fetrany ny fitakiana sendikaly ataon’ny mpiasam-panjakana, hoy ny CT Beanjara Paul mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny fanabeazana eny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita.

 Rehefa misy ny fifampidinihana, hoy izy, ka nametraka fifanarahana niaraka ny mpitaky sy ny tomponandraikim-panjakana dia tokony hitsahatra eo aloha ny fitokonana. Fa raha tonga any amin’ny resaka fitakiana fanalana olona ilay hetsika dia efa miditra amin’ny resaka politika mazava tsara izany, hoy ity mpikambana ao amin’ny kongresy. Efa azo antoka, araka izany, ny tsy maintsy nanaovan’ny fitondram-panjakana “requisition” an’ireo mpampianatra sasantsasany nitokona satria misy fiantraikany lehibe eo amin’ny mpianatra ny tsy fahatomombanan’ny fampianarana sy ny fanadinana ara-panjakana. Izahay ao amin’ny vaomieran’ny fanabeazana ao amin’ny kongresy  raha nihaona tamin’Atoa minisitra Manoro Régis dia nanoro hevitra azy nivantana ny tsy hiady na oviana na oviana amin’ny mpampianatra fa tsy hitondra vahaolana eo amin’ity resa-panabeazana ity izany.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT