Nirongatra indray ny asan-dahalo amin’iny faritra andrefan’i Vakinankaratra iny tato ho ato. Raha ny nitranga tamin’ny alin’ny alahady 03 mey 2015 lasa teo dia goavana indray ny fanafihana nitranga.
Tokony ho tamin’ny 4 ora hariva no tonga ireo dahalo nanodidina ny 30 lahy, nirongo basy mahery vaika toy ny “kalak” sy basim-borona ka nanafika tao amin’ny tanànan’Antanamary, Fokontany Beakanga. Raikitra avy hatrany ny poa-basy sy ny kotaba nataon’ireo dahalo ka lasan’izy ireo tamin’izany ny omby manodidina ny 100. Nahazo antso avy hatrany ny zandary sy ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaompania 109 ao Mandoto ka raikitra ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo Fokonolona. Nandritra ny fifandonana tamin’ireo dahalo moa dia fantatra fa olona 4 no maty voatifitry ny dahalo ka itony antsoina ho “Jamà”, karamain’ny Fokonolona itony ny iray ankoatra ireo Fokonolona. Amin’izao fotoana dia mbola mitohy ny fanarahan-dia ataon’ireo miaramila sy ny zandary na dia tsy mbola nahitam-bokany aza aloha hatreto. Fantatra kosa fa mihazo ny lalana mankany amin’ny toerana antsoina hoe Andrembeso ny dian’ireo omby sy ny dahalo aloha hatreto.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.