Actualités

Beakanga-Mandoto Adin'ny mpivady nahafaty olona


  • Alarobia 01 Aprily 2015

Raikitra indray ny sakoroka tao amin’ny fokontany Beakanga, Kaominina Vasiana ny alatsinainy 30 martsa lasa teo. Tsy asan-dahalo toy ny mahazatra izy ity fa adin’ny mpivady saingy nahafatesana olona iray. Nifamaly izy mivady noho ny resaka fifampirafesana.

 

 Niditra an-tsehatra ny rahavavin’ilay ramatoa ary tsy vitan’izay fa niantso olona hafa niditra an-tsehatra tamin’ny adin’ny mpivady izy ireo. Tonga ireo vatan-dahy nantsoina sady nitondra  famaky ka vaky nandositra ilay rangahy tompom-bady. Nanenjika azy eran'ny tanàna ireo lehilahy sy ny tompom-bady. Vory nanamorona ny lalana ny olona nijery ity sakoroka niseho ity, ka nitranga ny tsy nampoizina satria olona iray tsy nisy nifandraisany tamin'ny ady niseho fa sendra nijery no voan'ny famaky nentin'ireo nanenjika. Naratra vokatr'izany io lehilahy iray io satria voa teo amin’ny lohany sy ny tanany izy. Nitsoaka ilay nitondra famaky nandratra olona. Niditra an-tsehatra ny fokonolona nanomboka teo nanenjika azy ary nanolotra azy ny mpitandro filaminana fiandry ao Beakanga. Nikasa ny hitsoaka indray izy ka voatery nitifitra ny mpitandro ny filaminana ary lavon'ny bala ilay lehilahy. Tonga tany an-toerana moa ny zandary avy any Mandoto nanatevina ireo tany Beakanga ka efa milamina ny any an-toerana.

 Caïus Raharison

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT