Hafana indray ny faran’ny herinandro ivelan’ny renivohitra manomboka amin’ny sabotsy ho avy izao.
Hotanterahina etsy amin’ny Batou Beach Ambohimanambola ny sabotsy 28 novambra ho avy izao ilay hetsika ara-kolontsaina « Beach party » karakarain’ny E-consulting. Hetsika natao indrindra hanomezana fahafaham-po ny fianakaviana mandritra ny faran’ny herinandro izy io, araka ny fanazavan-dRamatoa Heritiana Marie Oliva, talen’ny E-consulting. Voalohany eto Madagasikara ihany koa, haharitra 24 ora tsy miato, ahitana karazana fialamboly maro samihafa. Hampiavaka azy ity ny fisian’ny aqua zumba hetsika natohana ho an’ireo tia manao zumba anaty rano, hiarahana amin’ny Zum mada, ny zumba tsotra, ny rindran-kira hiarahana amin’ny mpanakanto maro samihafa toa an’i Samoela, ny afon-dasy, ny sexy show, ny animation hiarahana amin’ireo Dj…Manodidina ny 100 moa ireo mpiambina hampiasaina mandritra io 24 ora io, 10.000 Ar no vidim-pidirana ho an’olon-tsotra raha mahatratra 50.000 Ar kosa ny VIP.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.