Actualités

Be galona nahazo seza Miasa ho an’iza marina ?


  • Talata 21 Aogositra 2012

Tsy tonga teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina raha tsy nanampy azy ny miaramila. Nisy karazany moa ny endrik’io fanampiana io.

 Tao ireo niseho nivantana ka efa niambina an’i Andry Rajoelina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Nisy koa ireo nivonona ny hiady mihitsy tahaka ny CAPSAT, fa teo kosa ireo mody nangina kanefa tsy nety nandray baiko avy amin’ny fitondrana Ravalomanana intsony. Vantany vao tonga teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina dia nokarakarainy fatratra ny foloalindahy. Nisesy mihitsy ny fampisondrotana grady sy fizarana galona. Nahazo ny anjarany avokoa ireo manamboninahitra nanampy azy. Isan-karazany ny fanampiana ara-pitaovana azon’ny zandary sy ny polisy, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Frantsay indrindra indrindra. Nanamarika ny tetezamita koa anefa ny fikomiana tamina toby miaramila maromaro teto an-drenivohitra. Re matetika fa toa hoe mimenomenona ireo vatamiaramila any an-dakazerina any noho ny fahitan’izy ireo ny tombontsoa mihoapampana azon’ireo be galona. Nisy mihitsy moa ny fotoana efa nijoro ny manamboninahitra lefitra sy andiana manamboninahitra nitaky ny hamerenana ny hasin’ny foloalindahy, satria dia manjaka loatra ao, araka ny filazan’izy ireo ny vola sy ny politika.

Hatramin’izay fitondrana nifandimby teto angamba dia nandritra izao fitondrana tetezamita izao no tena nahitana savorovoro be indrindra tao amin’ny foloalindahy malagasy, porofon’izany ny fisian’ny miaramila maro any am-ponja izay manamboninahitra ny ankaroany, ary nahitana manamboninahitra ambony, am-perinasa ihany koa tsy misalasala intsony manao fanambarana politika. Nataon’i Andry Rajoelina fitaovana nandrombahany fahefana ny foloalindahy, nampiasainy mba hifehezana ny mpanohitra ary mbola ampiasainy hiarovana ny fahefany ihany koa. Misy manamboninahitra ambony eto, izay hita amin’ny fomba firesany fa toa mitanila amin’i Andry Rajoelina tsotra izao na dia miezaka ny milaza fa tsy momba ny atsy na ny aroa aza, toy ny natao tao amin’ny tamin’ny 01 aogositra 2012 teo, ka namorian’ny CMDN mpanao politika tao amin’ny CEMES Soanierana. 

 
Samy manaiky ny rehetra fa mila filaminana sy fitoniana eto ary tsy ekena ny fanakorontanana amin’ny endriny rehetra. Ny tsy maharesy lahatra ny maro kosa dia ny fanizingizinan’ireo manamboninahitra ambony sasany fa tsy maintsy hiteraka korontana ny fiverenan’ny filoha teo aloha eto. Toa mitovy tanteraka amin’ny hevitry ny filohan’ny tetezamita sy ny mpomba azy ny fanambaran’ireo be galona ireo. Nahoana moa no tsy maintsy niandry ny fivorian’ny SADC tany Maputo farany teo, vao hanadihady ny mahamety, na tsia ny fodian-dRavalomanana ? Vantany vao voasonia ny tondrozotra dia efa afaka nanao izany tsara ny foloalindahy sy ny mpitandro ny filaminana. Tsy tongatonga ho azy akory ny fimenomenomana any anaty lakazerina, fa misy antony mazava ao. “Nahoana no misy ampahana manamboninahitra nihazakazahana ny fampiakarana grady azy, izay tsy araka ny tokony ho izy mihitsy ?”, hoy ireo mpiray andiany aminy.
 
Tetezamita anefa no misy eto fa tsy fitondrana lanim-bahoaka tamin’ny fomba demokratika ka mipetraka ara-dalàna. Ny zava-misy hita any anaty fiarahamonina any koa dia misy ny be galona manorina trano be, mampitolagaga ny mpiray vodirindrina aminy. Ny olona sahirana noho ny krizy, kanefa misy be galona mbola mahavita manangana “villa” ihany. Mbola miasa ho an’ny tanindrazana marina ve ireo manamboninahitra ambony sasany, mamono tena miaro ny tetezamitan-dRajoelina ? Ny hisian’ny fitoniana marina ve no manahiran-tsaina azy ireo sa ny fanakanana olona iray mba tsy hiverina eto intsony mandrakizay ? Nahoana ny foloalindahy no tsy hahavita hifehy ny filaminana eto raha tena misy tokoa antokon’olona mieritreritry ny hanakorontana ? Fa ny adihevitry ny olona etsy sy eroa koa dia hoe : sahy mihaniana ve ireo be galona nahazo seza ireo, fa tena manao ny asany ara-dalàna sy ara-drariny tokoa, ary tsy mahazo tsindry bokotra na fampanantenana avy amin’i Andry Rajoelina ? 
 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT