Nivalampatra teny amin’ny sisin-dalana tao amin’ny tsenan’i Tsaramandroso ity lehilahy iray ity no nisy nahita.
Feno fotaka ny razana ka tsy fantatra izay tena antony nahafaty azy. Raha ny fanazavan’ireo olona manodidina ny tsena dia latsaka tao anaty tatatra ity farany ka nitarika ny fahafatesany. Ao koa ireo milaza fa mety ho mamo izy ka nianjera tao anaty tatatra io. Hatreto aloha dia tsy mazava ny tena nahafaty ity rangahy ity. Tsy nisy zavatra hamantarana azy teny aminy tamin’ny fisavana natao. Etsy an-daniny ireo mpitsabo dia tsy nilaza ny zava-nanjo azy. Naterina teny amin’ny tranompaty hopitaly Pzaga Androva ny razana miandry ny havany.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.