“Ajanony ny M'vola, hajao ny bokin'andraikitra, aoka izay ny didy jadona”.
Io no sorabaventy nolanjain'ireo mpivarotra nitsena ny ben'ny tanàna tonga nidina teny an-toerana omaly maraina. Tsy manaiky hampiasa ny “”mobile banking” na ny fomba fandoavana hetra hofan-tsena amin'ny alalan'ny M'vola ireto mpivarotra ao amin'ny bazary Marolaka Mahajanga ireto. Tsy noho ny tsy fahatokisana io tambajotra io fa tokony hisy ihany koa ny an'ny tambajotra hafa mba ahafahan'izy ireo misafidy izay mety amin'ny tsirairay. Efa hatrany am-boalohany no nisian'ny olana tamin'ny tsy faneken'ireo mpivarotra hampiasa ity teknolojia sy fomba fiasa vaovao ity. Tantsaha avokoa ny ankamaroan'ireo mpivarotra izay tsy mahafehy akory na ny fampiasana ny finday aza. Ny orinasa no mahazo tombony mihoapampana amin'izao mobil banking izao. Nilaza moa ny ben'ny tanàna Andriantomanga Mokthar Salim fa hiverina hifandinika an-databatra boribory indray ialana amin'ny olana tahaka izao ary mangataka ireo mpivarotra mba asiana solontenan'izy ireo avy amin'ireo tsena lehibe ao Mahajanga mandritra ny fivoriana hanapahan-kevitra hisian'ny marimaritra iraisana sy ho fanajana ny bokin'andraikitra.
Jean D
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.