Actualités

Bazary kely ao Toamasina Atomboka ny fanamboarana


  • Sabotsy 08 Jolay 2017

Napetraka tamim-pomba ofisialy omaly ny vato fototry ny fanombohana ny asa fananganana ny tsena ao Bazary kely Toamasina, ahitana box miisa 131.

Ny orinasa Sariaka  no nahazo ny tolo-bidy. Tamin ' ny alalan' ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina no hahafahana manatanteraka ny asa. Tonga nametraka izany ny Ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina Elysé Ratsiraka notronin'ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny. Nambaran' ny Ben' ny  tanàna fa natsangana ny fotodrafitrasa entina  hanalana fahasahiranana ny mpivarotra izay mitombo isa hatrany sy hanampiana ireo mpampiasa lalana. Lasa  toeram-pivarotana mantsy ny arabe fivezivezen' ny fiara. Ezahina hovitaina ao anatin’ny efa-bolana ny asa raha enim-bolana no fe-potoana ara-dalàna hananganana ity Bazary kely ity. Hanorina trano be dia be ao Toamasina ihany koa ny kaominina. Hampitomboina ny isan' ny tranobe mitovy amin’ireo efa mitsangana ao Bazary be. Ny ao  Ankirihiry sy Ambolomadinika hatreto no ho lohalarahana.  Ankoatra izay,  hamaha ny olana goavana momba ny rano fisotro madio ihany koa  ny kaominina ambonivohitr' i Toamasina. Hisy ny fananganana trano fidiovana, toerana fanasan-damba, ny paompin-drano fisotro madio. Efa hitan’ny mpamatsy vola ireo rehetra ireo ka ao Tsarakofafa  no hanombohana azy. Hanangana kianja filalaovana ho an’ireo manana fahasembanana ihany koa ny kaominina ary hapetraka ny toerana fiandrasana taksibe marobe.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT