Actualités

Bazary Ankirihiry Manjaka ny kolikoly


  • Alatsinainy 07 Jona 2010

Nidina ifotony tao amin’ny bazarin’Ankirihiry ireo ekipan’ny fitsarana ara-bola ao Toamasina nijery ifotony ny zava-misy sy iainan’ireo mpivarotra ary ny fomba entin’ny mpanangona ny hetra maka ny volan’ny kaominina.

Nitsikafona avokoa nandritra izany ny gaboraraka sy ny halatra ary ny kolikoly avo lenta ifanaovan’ny mpivarotra sasany sy ny mpiandrakitra ny tsena eo anivon’ny kaominin’i Toamasina renivohitra. Maro ireo hetran-tsena tsy voaloa nefa tsy nandraisan’ny tompon’andraikitry ny tsena fepetra. Efa manodidina ny 1 volana hatramin’ny 12 volana ireo hetra tsy voaloan’ny mpivarotra sasany. Misy anefa ireo mpivarotra no manana fivarotana malalaka be ka manana taratasy famantarana manokana momba ny hetra 2 hatramin’ny 06 nefa tsy mahaloa ny hetrany. Ny tena mahagaga amin’ity raharaha ity dia ireo mpivarotra lamba sy ny mpivarotra hena no tena tsy mahefa ny anjara hetrany, ary ireo mpivaro-damba kosa no manana toerana be indrindra nefa mazàna no mitsoaka raha tonga ny mpanangona hetran-tsena isan’andro.

Ankoatra izay dia misy koa ny firaisana tsikombakomba mitarika ny fanaovana kolikoly amin’ny fanomezana toerana ny mpivarotra ka mahatonga ny tsy fanarahan-dalàna. Misy toerana vonjimaika mantsy eo anivon’ity bazary ity, ka misy ny mitaky vola amin’ireo mpivarotra mba hahazo toerana, hialana amin’ny fandoavan-ketra samihafa. Ity tsena ao Ankirihiry ity anefa, dia efa nanaovan’ny kaominina bemidina nanaovana fanisana sy fandaminana ny volana martsa sy aprily teo, nefa izao mbola misy ny gaboraraka izao ihany. Vokatra izany, banga ny toerana ao anatin’ny tsena, fa mamonjy arabe avokoa ny mpivarotra.
Mitohy hatrany moa ity fidinana ifotony ataon’ny fitsarana ara-bola ao Toamasina hamantarana ifotony ny zava-misy amin’ny fampidiram-bolan’ny kaominina ity. Ny tanjona ho azy ireo dia hanana ny vola ilainy ny kaominin’i Toamasina hiasany hanaovany ireo fotodrafitrasa ilain’ny mponina amin’ny fanatsarana sy fanadiovana ary fanazavana ny tanàna.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT