Actualités

Basy nangalarin’ny zandary Nilibana ny vola an-tapitrisany azo


  • Talata 22 Jona 2010

Vaky vava mihitsy ny kolonely Ravalomanana Richard omaly tamin’ny mpanao gazety mikasika ilay manamboninahitra lefitra zandary mitondra ny galona lietna nanodina ireo basy tratra tao amin’ny sampana fikarohana ny helokoa bevava ny zandary eny Fiadanana.

Nolazainy ampahibemaso mantsy fa lany nilibana ny vola azo tamin’ireo vidina basy nangalariny. Vokatri’zany, hoy ihany ity kolonely dia nitaraina mafy ireo vady aman-janany. Izy ireo samy zandary no nanao tsipaipaika nanampiana azy ireo. Mbola ireo zandary ihany no fantatra fa niantoka ny vola nakana mpisolovava ho an’ity lietna ity.

Raha tsiahivina dia teo anelanelan’ny 10 ka htramin’ny 18 desambra 2009 no sarona teny Ivato ny basim-borona avy any ivelany miisa 230. Olona 9 no voarohirohy ka ny iray dia mpiasan’ny ladoany. Naiditra am-ponja avokoa moa izy ireo afa tsy ilay mpiasan’ny ladoany. Io lietna zandary io no tompon’andraikitra voalohany tamin’ireo basy ireo.
 
Andro vitsy lasa anefa izay dia tsikaritra fa niha banga ireo basy. Rehefa natao ny fanisana dia 93 no tsy tao intsony. Namidy roa tapitrisa ariary anefa ny iray tamin’ireo raha kely indrindra. Nisokatra ny famotorana ka ny 32 amin’ireo tsy hita ihany no efa tafaverina. Ny ambiny kosa dia efa fantatra ny misy azy saingy tsy mbola azo. Ny 17 jona teo no natolotra ny Fampanoavana ireo olona 18 voarohirohy tamin’ity aferana basy ity.
Zandary ny roa tamin’ireo ary ilay lietna ny iray. Naiditra am-ponja eny Antanimora avokoa izy ireo. Fantatra ihany koa fa nisy basy Makarov iray niaraka tamin’ny bala miisa 14 sy bala-na basim-borona miisa 32 no sarona tamin’ity raharaha ity. Tany am-boalohany dia nolazaina fa ny filoha Ravalomanana no nampiditra ireo basy ireo. Nankalazaina mihitsy tamin’izany fa entina hanakorontanana teto no antony nanafarana ireo basy ireo. Izao anefa ny kolonely Ravalomanana Richard no milaza mazava teo anatrehan’ny mpano gazety fa nanaovana filibana ny vola azon’ilay lietna nanodina ireo basy ireo.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT