Basy mahery vaika miisa 27 ahitana fusil de chasse sy fusil à pompe ary pistolet automatique no saron’ny zandarimariam-pirenena tany Fianarantsoa. 20 ny olona nosamborina avy hatrany ary nampidirina am-ponja vonjimaika, tafiditra ao anatin’izany ny olona 5 mpivarotra basy.
Ny fitobahan’ny aferana basy no antony nampiatoana ny famoahana fahazoan-dalana hihazona basy tao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa satria tena miparitaka loatra ny basy any an-toerana ary mitarika tsy fandriampahalemana an-tanàn-dehibe sy any ambanivohitra. Olom-panjakana ambony no ao ambadik’ireto basy 27 tratra tany Fianarantsoa ireto raha ny fanazavan’ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao Fianarantsoa no raisina. Tafiditra ao anatin’ny tambajotra ihany koa ny mpiasa eo anivon’ny kaominina, hoy hatrany ny fanazavana. Mandeha moa ny fanadihadiana koa miandry ny rehetra hoe iza marina io olona ambony tafiditra amina raharaha trafikana basy mahery vaika io, any amin’ny faritra hanjakan’ny asan-dahalo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.