Miakatra ny feo any Toliara taorian’ny nanafoanan’ny Federasiona malagasy taranja baskety ny hampiantranoan’i Toliara ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja baskety lahy sy vavy sokajy latsaky ny 18 (U18), hanomboka ny sabotsy izao ka nafindra any Ambositra.
«Efa vonona tapa-bolana nialoha ny fikarakarana rehetra handraisana an’ity fifaninanam-pirenena ity, toy ny kianja telo, trano fandraisana, ary efa eto Toliara ny ireo ekipa avy lavitra», hoy i Tony Géorgial, filoha lefitry ny ligin’Atsimo Andrefana omaly. Hentitra i Sosoany Hermone, filohan’ny vondron’ny mpanazatra, fa «noho ny lonilonin-toerana tsy lany ho filohan’ny Komity Olympika Malagasy (KOM) dia potehin’ny filohan’ny federasiona, ny taranja baskety aty Atsimo, satria zanak’i Toliara i Andrianasoloniaiko Siteny, filohan’ny KOM nifanandrina taminy. Valifaty ve dia hanaovana sorona ny tanorantsika nanoman-tena iray taona ?»
Raha tsy hatao ao Toliara ny lalao dia tsy handray anjara amin’ny fifaninam-pirenena any Ambositra ireo ekipa avy any Atsimo. «Hitory ny filohan’ny federasiona sy ireo mpikambana ao, any amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana izahay, satria mitafy henatra sy afa-baraka», hoy ireo filohan’ny ligy any Atsimo.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.