Actualités

Baskety – Mada U18 Efa tafita hanao ampahefa-dalana ny Serasera


  • Alarobia 16 Septambra 2015

Efa mamaramparana ny dingan’ny fifanintsanana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja basikety sokajy U18 izay atao any Ambositra

 

. Niditra tamin’ny andro faha-4 omaly ny fifanintsanana. Nitohy ny fahombiazana ho an’ny ekipan’ny Serasera zazavavy avy any Vakinankaratra ka ny ACA Analamanga no lavony tamin’ny isa 57-48 omaly. Mitarika voalohany ao amin’ny vondrona misy azy izao io ekipan’Antsirabe io ary manana isa izay midika fa efa azony ny tapakila ahafahana miatrika ny ampahefadalana. Isan’ireo nibata fandresena omaly koa ny FFF PRO Vakinankaratra izay nanamontsana an’ny Vahontsoy Androy tamin’ny isa 50-19. Ho an’ny zazalahy ny AS St Pierre Alaotra mangoro nandavo an’ny MFB Menabe 80-71 ary ny USF Matsiatra ambony nampiondrika an’ny BCKT Matsiatra ambony tamin’ny isa 87-72. Hifarana anio moa ny fifanintsanana ary hivoitra rahariva ireo ekipa rehetra hiady ny ampahefadalana izay hatao ny zoma izao.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT