Actualités

Baskety – Afrika Tsara tohana ny Ascut ho any Angola


  • Zoma 04 Desambra 2015

Mpilalao 12 no handrafitra ny delegasionin’ny Ascut handeha hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo ekipa tompondaka izay hatao any Angola ny 10-20 desambra izao. Tsara tohana tokoa ny klioba satria nahazo vatsin-dalana avy amin’ny federasiona malagasy izy ireo omaly teny amin’ny foiben’ny FNBB eny amin’ny 67ha, vola mitentina 3000 dolara.

 

 Ankoatra izay dia ny fiadidiana ny repoblika no hiantoka ny sarandalan’ny fiaramanidina ho an’ny delegasiona. Hafa ihany tokoa rehefa lavalava tanana akaikin’ny mpandoa-bary. Tanjon’ity klioba tompondakan’i Madagasikara sy ny oseana Indiana ity ny hiatrika dingana ambony hatrany amin’ny manasadalana. Ankoatry ny delegasiona hiatrika fifaninanana dia hisy mpitsara malagasy iray hitantana ity fifaninanana kaontinantaly ity dia Randriamandroso Andy avy any amin’ny ligin’i Vakinankaratra. Hanainga ny talata 8 desambra izao ny delegasiona izay hotarihin’ny filohan’ny vaomiera misahana ny fifaninanana eo anivon’ny federasiona, Randriamandimby Jimmy.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT