Tsy mbola milamina ny ao Barikadimy ao hatramin’izao.
Tsy nahafaly ireo mpianatra ny fanasaziana 12 volana am-ponja sazy mihantona ireo namany 5 mirahalahy voasambotra taorian’ny sakoroka ny herinandro lasa teo, sy ny tsy mbola namalian’ny filohan’ny oniversite sy ny fanjakana ny vatsim-pianaran’izy ireo voalaza fa efa mananiky 5 volana. Ny alatsinainy 29 oktobra, tokony tamin’ny 9 ora alina, dia nihetsika ka nivoaka nandoro kodiarana tamin’ny lalam-pirenena faha-2 ireto mpianatra. Teo koa ny fandravana sy fandorara ireo fivarotana madinika miisa 5 mihazo ny barazy RN2, araka ny fanazavan’ny Emmo-Reg. Vokany am-polony ny baomba mandatsa-dranomaso nipoaka io alatsinainy alina io, nanapariahana ireto mpianatra hiditra ny tokotanim-pianarany sy ny efitrano fatoriany avy. Raikitra ny “polisy – vôlera” teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny mpianatra.
Milaza ny hanao valifaty amin’ny mpitandro ny filaminana nisambotra ka nahatonga ny fanasaziana ireo namany, no voalaza fa anton’izao hetsika izao. Ny tanjona dia hirosoan’ireto mpitandro ny filaminana ireto ao anatin’ny faritry ny oniversite, izay sady maizina no voafehin’ny mpianatra, ka hampiharan’ireto farany tora-bato. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha, satria milaza ny hampiombona hetsika miaraka amin’ny “Tsy misy miala aketo niany”, izy ireo ny alakamisy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.