Actualités

Barazy FIGN Niala indray omaly alina !


  • Alakamisy 20 Mey 2010


Miady an-trano ve ny FIGN ? Omaly alina mantsy dia tsikaritra fa niala indray ireo barazy izay napetraka tetsy sy teroa ary niverina nandeha amin’ny laoniny ny fifamoivoizana. Raha araka ny feo re dia mitady hizara ireo zandary ao anatiny. Ao ny mankato ny jeneraly Zafera izay raha ny fantatra dia tsy mankasitraka ity fanapahan-kevitry ny Lietnà-Kolonely Andrianjafy Raymond, nanao fanambarana omaly. Raha ny re hatrany aza dia nandrahona ny hanafatra miaramila avy any ivelan’ny toby io Jeneraly io mba handray fepetra raha tsy nesorina ny barazy. Mety hisy hifandraisany amin’izay ve ity fanesorana ny sakana omaly alina ity ? Dia ahoana izany ny hetsiky ny FIGN anio ? Tantara mitohy hatrany....
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT