Actualités

Barack Obama «Vahaolana ifampierana sy iraisan’ny rehetra ihany»


  • Alakamisy 24 Jona 2010


Nandefa hafatra manokana ho an’ny Vahoaka Malagasy ny filoha amerikanina Barack Obama amin’izao tsingerin-taona faha-50-n’ny fahaleovantenam-pirenena izao nanehoany ny faniriany sy ny hetahetany, araka ny taratasy nalefany ny alarobia 23 jona araka izao manaraka izao.

«Ho an’ny vahoaka Malagasy
Ny vahoaka amerikanina dia miara-miombona amiko amin’ny fiarahabana ny vahoaka Malagasy noho izao fankalazana amin’ny faha-26 jona ny faha-50 taona nahazoan’ny firenenareo ny fahaleovantena izao.
Manohana ny vahoaka Malagasy izahay, ary maneho hatrany ny fandraisanay andraikitra amin’ny fanohanana ny vahaolana ifampierana sy iraisan’ny rehetra mba ivoahana amin’ny fikatsoana ara-politika izay mitarika fatiantoka goavana mianjady amin’ny firenena.
Amin’izany fiombonanay amin’ny fankalazana ny fahaleovantenan’ny firenenareo izany, ny fanantenako dia mba hiverina hiaina amim-pifaliana indray ny vahoaka Malagasy ka hianoka ny tombontsoa entin’ny governemanta marin-toerana, voafidy ara-pomba demokratika amin’ny taona ho avy sy mifandimby.
Am-pirahalahiana
Barack OBAMA»
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT