Actualités

Banky BOA Mahajanga Mahatezitra mafy ireo mpanjifa


  • Alarobia 25 Martsa 2015

Adiny telo farafahakeliny ny fotoana hijanonan’ireo mpanjifa rehefa maka ny volany eny amin’ny masoivoho BOA rehetra ao Mahajanga.

 

 


 Miteraka fahatezerana ho an’ireo mpanjifa io fihetsika tsy mendrika asehon’ireo mpiasan’ny banky io satria mba ialana amin’ny filaharana lavareny ao anatin’ny birao ny banky no antony nanofana ny karatra isam-bolana. Tsy izay anefa no zava-misy fa dia mihoatra lavitra ny fotoana lany hilaharana ao amin’ny masoivoho no lany mandritra ny fakana vola amin’ny milina ny BOA. Nilaza ireo mpanjifa izay mifanerasera amin’ireo mpiasan’ny banky fa noho ny faharatsian’ny vola avy amin’ny banky foiben’i Madagasikara no mahatonga ny milin’izy ireo simba ka voatery halefa tsikelikely ireo vola mivoaka. Tsy nisy anefa ny fanambarana mazava avy amin’ny tompon’andraikitra milaza io olana miseho io ka dia miteraka hasosorana ho an’ny mpanjifa ny zava-miseho. Mangataka ny hijerena io olana io ireo mpanjifa ity banky ity ao Mahajanga satria toy ny olona mitrosa izy ireo rehefa maka ny volany ao.

                                                                                                                           

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT